♦ Nampitsahatra ny fampielezan-keviny ireo kandidà roa mpifaninana amin'i Mamy Meryson Claver amin'ny distrikan'i Morondava, taorian'ny fahafatesany tampoka omaly maraina... ♦ Kandidà roa no nitsoaka an-daharana any amin'ny distrikan'i Manakara. Milaza ny tsy hanohy intsony ny fampielezan-keviny izy ireo, fa hanohana kandidà hafa... ♦ Nandiso ny vaovao miparitaka ny orinasa JIRAMA androany maraina fa tsy nametra-pialàna ny tale jeneraly vaovao, Rhon Weiss. Manohy ny asa nanendrena azy izy hoy ny fanambaràna... ♦ Mangataka ny hamoahana didy fisamborana ny Praiministra israeliana, Benjamin Netanyahou ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsaràna iraisam-pirenena...

♦ Nodimandry tampoka omaly maraina ny kandidàn'ny vovonana Firaisan-kina any amin'ny Distrikan'i Morondava. Andrasana ny fanapahan-kevitra horaisin'ny CENI sy ny HCC noho izao voina izao... ♦ Hanao hetsika famotorana mitety vohitra ny mpanao famotorana eo anivon'ny fisaràna noho ny raharaha fakàna an-keriny any amin'ny distrikan'Anjozorobe. Mobla mitohy ny fanadihadiana hoy ny tonia mpampanoa lalàna... ♦ Somary nangingina raha mitaha ny amin'ny alatsinain'ny Paka ny fialan-tsasatry ny alatsinainin'ny Pantekôty omaly. Nahasarika mpitsangatsangana na izany aza ireo toeram-pialam-boly indrindra ny tao an-drenivohitra...

♦ Manaitra ny olom-pirenena hanapaka ny rafi-panjanahana an'i Madagasikara ny Antenimieran'ny ray aman-dreny ara-drazana. Kihon-dalana amin'izany ny fifidianana solombavambahoaka hoy ny fanambaran'izay ireo omaly... ♦ Niakatra fampanoavana teny amin'ny PAC 67ha omaly ny ben'ny tanànan'Antsiranana. Nitolo-batana teny amin'ny Brigady misahana ny heloka bevava teny Anosy mialohan'izay, noho ny raharaha hanenjehina azy... ♦ Ben'ny tanàna telo, sy mpitandro filaminana maromaro no nosamborina, voarohirohy noho ny raharaha fakàna an-keriny sy asan-dahalo any amin'ny distrikan'Anjozorobe... ♦ Namoaka didim-panjakàna mampiantso ireo vonona hanatevina ny tafika ny filoha okraniana, hiatriehana ady...

Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...

♦ Namoaka hafatra ny FFKM noho izao fetin'ny Pantekôty izao. Voaresaka ao ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana amin'ny 29 mey... ♦ Manaitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe amin'ireo fandikan-dalàna amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Be loatra ny olona matin'ny fiakaran'ny tosi-drà aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Miantso ny rehetra tsy hanao hatsirambina ny fitsaboana ho an'ireo manana tosi-drà ambony ny Fikambanana MAEVA... ♦ Efa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny korontana amina kartie maromaro any Nouméa renivohitr'i Nouvelle Caledonie, noho ny toe-draharaha politika. Olona 5 ireo efa namoy ny ainy hatramin'ny omaly...

♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

♦ Nahitana fahasimbana ny fitaovana fitoeran'ireo antontataratasy saro-pady hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ho an'ny Distrikan'i Vohipeno. Nitondra fanamarihana momba izany ny rantsamangaikan'ny CENI any amin'ny Faritra Fitovinany... ♦ Ho hentitra amin'ny fanasaziana ireo mihoa-pefy amin'ny fetin'ny Pantekôty, ny minisitera tompon'andraikitra, miaraka amin'ny ATT sy ny DGRS... ♦ Misy hatrany ny hambana lehibe mahazo ireo mpitarika sendikaly eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo anefa ny teritery sy ny ramatahora...

♦ Efa azon'ireo kandidà, na ny solontenany, alaina eny anivon'ny Distrika misy azy manomboka izao, ny lisi-pifidianana izay nofaranana ny 15 mey 2024. Natao izany mba hanajana ny mangarahara, hoy ny CENI... ♦ Hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana mahefa, momba ny ambarany ho fandikan-dalàna ataon'ny Filohan'ny Repoblika amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, ny Vovonana Firaisankina... ♦ Nitombo hery ilay rivodoza Ialy, saingy mbola lavitra an'i Madagasikara. Vinavinaina ho levona an-dranomasina izy io amin'ny fiandohan'io herinandro io...

♦ Nivadika ho rivodoza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy ao avaratra atsinanan'ny nosy. Nitombo hery izy ka tany amin'ny 539 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miendrika ho fanohanana an-kolaka ny kandidà IRD ny lanonam-pitokanana ataon'ny Filoham-pirenena amin'izao, hoy ny Fiombonana. Nambaran'ity antoko ity fa mandika ny lalàm-pifidianana ny mitokana zava-bita anaty fampielezan-kevitra...

♦ Mirongatra ao amin'ny distrikan'i Betroka amin'izao fotoana izao ny aretina tazomoka, ireo zaza latsaky ny dimy taona teo aloha no tena lasimbatra tamin'izany siangy efa miitatra amin'ny tanora ihany koa ny aretina ankehitriny... ♦ Heverina handalo fankatoavana mandritra ny fivoriana ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ilay fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao hoy ny Ministry ny asa, asa-panjakàna ary Lalàna Sôsialy... ♦  Miisa 450 ireo mpiraki-draharaham-pitsarana ho raisina mandritra ny fanadinana fifaninana tanterahina amin'ity taona ity hoy ny Ministra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana... 

♦ Nitombo 5,32% amin'ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy taorian'ny fanavaozana isa-taona izay nifarana omaly... ♦ Atao fitaratra ho an'i Afrika amin'ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka i Madagasikara ato anatin'ny dimy taona hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Antsirabe omaly... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika amin'ny tontolon'ny fanabeazana hoy ny Konfederasiôn'ny SEMPAMA... ♦ An'arivony ireo olona voatery nafindra monina noho ilay afo sy ny setroka miparitaka vokatry ny firehetan'ny ala ao Fort MC Murray any Alberta, Canada...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...