• Vonona hanohana ny fampitomboana ny voka-bary eto Madagasikara ny tantsaha eto amin'ny nosy. Tsy ankasitrahan'izy ireo ny hanokanan'ny Fanjakàna Malagasy teti-bola goavana hividianana masomboly hampiroboroboana ny voly vary Riz Hybrid...
  • Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao Mandraka, Distrika Manjakandriana. Mbola mifarimbona mamono afo ny fokonolona sy ny tompon'andraikitra tao anatin'ny andro maromaro izao...
  • Hatsangana ny antenimieram-paritry ny tanora aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Natao teto Madagasikara nandritra ny 2 andro ny fivorian'ny kômity mpanatanteraka...
  • Rava omaly hariva ny governemanta any Mali notarihan'ny sivily. Miaina anaty rafitra tetezamita nanomboka ny taona 2020 ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...