• Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, hatao amin'ny 11 desambra 2024. Dia be mamakivaky tanàna no saika nisantarana izany androany...
  • Miantso ireo Solombavam-bahoaka sy Loholona, handinika tsara ny votoatin'ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, izay vao handany izany. Iankinan'ny fiainam-pirenena mantsy izy io, hoy ny hetsika Rohy...
  • Nitrangana doro tanety tao amin'ny faritry ny seranam-piaramanidina tety Ivato. Voafehy ny afo ary efa miverina amin'ny laoniny ny sidina tao aorian'ny famonoan'ny tompon'andraikitra ny izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...