“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.

Ho aminareo anie ny fiadanana!

01. Izany fiadanana nomen’i Jesoa ny mpianany sy ataontsika vavaka ao amin’ny hiram-pirenena izany no entinay miarahaba anareo sy ifankaherezantsika hatrany. Isaorana mandrakariva Andriamanitra noho ny fitantanany antsika mianakavy. Tonga amin’ny dingana farany ny fankalazana ny Sinaodin’ny Eveka momba ny “Eglizy miara-dia”. Tontosa soa aman-tsara ny Kongresy eokaristika nasionaly natao tany Antsiranana. Anisan’ny niarahantsika nanamarika ity taonan’ny vavaka ity iny hetsika lehibe iny. Eo koa ireo hetsika samihafa atao isan-toerana izay ampirisihina sy entina am-bavaka hatrany. Mampiditra antsika tsikelikely any amin’ny Taon-jobily faha-2025 taonan’ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto an-tany ireo hetsika ireo. Ny alin’ny 24 desambra 2024 no hosokafan’ny Papa io Taon-jobily io; ary ny alahady 29 desambra, isaky ny diosezy. Samy manana ny Mpiandry azy daholo ny diosezy rehetra eo am-pizorana mankany amin’ny Taon-jobily. Mampisaotra ny Tompo ihany koa ny jobily faha-25 taona naha-Eveka an’i Monseigneur Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA sy i Monseigneur Fulgence RABEMAHAFALY.

Manoloana ny raharaham-pirenena

03. Mpaminany ny Eglizy ka tsy sasatra izahay ary tsy afaka hangina mihitsy, miara-manao antso avo amin’ny vahoaka ny fangirifiriana mahazo ny Malagasy ankehitriny, na dia misy aza ny ezaka izay tsy azo odian-tsy hita. Mivaivay loatra ny olana momba ny jiro sy ny rano. Tsy ahitam-bahaolana mandritra ny taona maro izany: tsy fahombiazana no dikany; ary miendrika famonoana olona ankolaka, satria aina ny rano. Tsy mitsahatra miakatra ny vidin’ireo filàna andavanandron’ny mponina. Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana amin’ny faritra maro. Mikorosy fahana ihany koa ny fanabeazana sy ny fampianarana eto Madagasikara manomboka amin’ny ambaratonga ambany ka hatrany amin’ny anjery manontolo. Tsy tena tsapa ny akon’ireny fanampiana avy any ivelany ireny eo amin’ny toekarena sy ny fampandrosoana. Nozarina hihafy sy hijaly ny vahoaka ka toa zary manaiky tsy fidiny ny fahantrana ho anjara sy lahatra. Tsy sahy maneho ny heviny izy ireo, satria “aleo maty ampitso, toy izay maty androany”. Ny mpitondra, etsy an-daniny, toa tsy taitra akory, tsy hita mba mitady drafitra sy fomba fiasa ary vahaolana hafa. Ireo mpitondra akaiky kokoa ny vahoaka dia toa “angady tsy mahatapaka ahitra” ihany. Misy anefa mbola sahy milaza ihany fa mandroso ny firenena ary mahavita azy tanteraka ny mpitondra. Sao dia mba misy olona na vondron’olona voakarama hanasohaso ny mpitondra ka odian-tsy hita ny fahorian’ny vahoaka? Be loatra ny mpanararaotra fahefana sy manangon-karena, na amin’ireo mpitondra na amin’ireo mpiray antoko sy mpiara-miasa akaiky aminy. Iniana hadinoina fa misy farany ny zavatra rehetra.

04. Ampy hilazana ireo fa mitontongana tanteraka ny fiainan’ny vahoaka. Tapi-dalan-kaleha ny vahoaka madinika. Etsy ankilany anefa misy olona manao ampihimamba sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena ary mitavana sy mamono eritreritra tsy mijery ny fahantran’ny mpiara-belona aminy. Vitsy no afaka mamoron’asa hivelomana fa maro koa ireo orinasa efa nisy iniana potehina. Ireo tsy an’asa mitombo ary tsy mba manana antoka na kely akory. Tsy araka ny fampanantenana sy lokaloka nataon’ireo mpilatsaka hofidiana ka mandray ny toerana sy ny andraikitra ankehitriny ny zava-mitranga. “Ny tena toetra tokoa no enti-manjaka”, hoy ny fiteny. Tsy matoky ny mpitondra intsony ny vahoaka ka miraviravy tanana ary samy manao izay hahafahany mivelona amin’ny fomba rehetra. Dia sanatria ve atao mihitsy izay hampahantra ny Malagasy mba hampanan-karena olom-bitsy? Inoanay ihany anefa fa misy aminareo mpitondra mandre mangirifiry manoloana izao fahantran’ny vahoaka mihoa-pampana izao ary hanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitadiavana vahaolana faran’izay maika, mahomby ary mateza.

Fampivoarana no tanjon’ny politika

05. Ny Papa Fransoà dia nilaza mazava fa tsy azo ialana ny politika raha te-hampivoatra firenena. Ny hevitry ny politika dia fiahiana ny soa iombonana, “indrindra ao anatin’ny fotoana sarotra”. [Jereo FRANÇOIS, Fratelli tutti, lah. 176 sy ny manaraka.] Ny mpitondra sy ny vahoaka miara-dia no miantoka ny politika mahomby. Adidin’ny mpitondra ny manao izay hananan’ny vahoaka fiainana milamina sy mendrika ny maha-olona. Adidiny koa ny mampahalala ny vahoaka ny andraikitra tandrify azy sy manampy azy hanatanteraka izany. Ny vahoaka indray, araka izany, dia handray izany andraikitra tandrify azy izany amin’ny fanaovany tsara ny asany, ny fahaizany mivondrona sy mifanampy, manabe sy mifanabe. Tsy manabe vahoaka ireo tolotolotra ataon’ny fitondrana sy ny mpanao politika, izay tsy mitsinjo lavitra fa famonoana afo tsy mahalala afa-tsy ny eo no ho eo ihany. Mila mifampihaino ny vahoaka sy ny mpitondra; mila mihaino sy henoina koa ireo mpanohitra mba tsy hivadika ho sakana amin’ny fampivoarana ny hevitra tsy mitovy. Ilaina koa ny maka lesona amin’ireo lesoka efa nisy tany aloha: tsy fahamalinana, tsy fahombiazana, fifampiandaniana sy fifanilihana, fampihorohoroana, fiandrandrana lava ny fitondrana, tsy fifampihainoana, fifanomezan-tsiny, fanoherana bontolo, fanasarahana ny finoana sy ny andavanandrom-piainana, tsy fahasahiana mijoro, lainga sy kolikoly, tsy fitanana ny teny nomena...

Ho anareo mpitondra

06. Manoloana izao zava-misy eto amin’ny firenena izao dia antso avo no atao aminareo mpitondra. Asa fa tsy kabary no andrasana aminareo. Omeo fahafahana hisitraka ireo filana fototra sy filana andavanandro ny vahoaka: sakafo sy kojakoja, jiro sy rano, tontolo iainana, fahasalamana, fanabeazana, fandriampahalemana, lalana, fahafahana maneho hevitra an-kalalahana. Hatao andrimaso manokana ny ankizy sy ny olona marefo. Toetsaina tsy mahazaka ny fahorian’ny vahoaka ka hampandefitra ny hampombo politika sy ny tombontsoa manokana no andrasana amin’ny mpitondra marina. Drafitr’asa mazava, mitohy ary mateza no hajoro mba hialana amin’izao fangirifiriana tafahoatra izao. Izao no fotoana hijerena akaiky sy maika ny famoronana asa sy ny fanomanana ny olona hahafehy tsara ny asany, mba tsy ho vesatra ho an’ny sehatra iasany na ho mpanararaotra sy mpitsentsitra vahoaka fotsiny. Antso (vocation) manko ny asa fa tsy fitadiavana fivelomana fotsiny. Tsy mahasoa antsika ny marina amboamboarina araka izay tombontsoan’ny tsirairay na ny vondrona samihafa. Tokana ny marina, dia izay ambaran’ny feon’ny fieritreretana madio sy ampianarin’ny lalàna tena izy ary ampianarin’ny Vaovao Mahafaly antsika. Hialantsika izao kolontsaim-pahafatesana iainantsika izao. Kolontsain’ny aina no andao haorina sy harovana. Todihana manokana ianareo zanaky ny Eglizy katolika mandray anjara amin’ny raharaham-bahoaka: aoka ho hita taratra fa nandray fampianarana ianareo.

Ho antsika vahoaka

07. Mitodika amintsika vahoaka indray izahay. Ialao ny toetsaina miandrandra lava ny mpitondra. Atreho sy ataovy amim-pitiavana sy amin-kitsimpo izay manandrify antsika amin’ny fampivoarana ny firenena, na ao an-tokantrano na eo amin’ny fiaraha-monina na any amin’ny toeram-piasana sy fianarana na any am-piangonana. Tsy fotoana hifanambakana sy hifanararaotana intsony izao. Ny fahaizan’ny vahoaka mifanaraka sy mifampitsinjo no antoka hampandry fahalemana sy hampandroso an’i Madagasikara. Omeo lanja hatrany ny andraikitry ny Ray amandreny sy ireo rehetra misehatra amin’ny fanabeazana izay fototra miantoka ny fiainam-pirenena. Aoka hivoatra hatrany amin’ny maha-mpanabe vahoaka amin’ny fahamarinana sy ny fahaiza-miaina ny haino aman-jery, sy ho mpitondra ny feony. Aoka ho fakan-tahaka ianareo amin’ny haino aman-jery katôlika.

Finoana sy fiainana

08. Mampandini-tena antsika kristianina sy ny mpino rehetra izao fotoana lalovan’ny firenena malagasy izao: sao misy adidy tsy vita? sao tsy niainana tsara ny maha-fanasina sy fahazavana, ny maha-olon’ny fanantenana? sao mbola mifanipaka ny finoana sy ny fiainana andavanandro? Mifameno ny maha-olom-pirenena sy maha-kristianina na maha-mpivavaka [Jereo KONSILY VATIKANA II, Fiangonana manoloana ny andro ankehitriny (FAA), lah. 43.]. Henoy hatrany i Masindahy Paoly milaza amintsika hoe: “Mahaiza miaina amim-piadanana sy samy manao tsara ny asany” (1 Tes 4, 11). Lohalaharana sy mpanome ohatra, amin’izay nolazaina teo ambony, ireo mitonona ho kristianina sy mpivavaka. Ireo ezaka efa ataon’ny Eglizy katolika isaky ny diosezy dia hohamafisina hatrany: tetikasa fampivoarana ny olona, indrindra ny mahantra sy ny tany lavitra andriana, sekoly, hopitaly sy dispansera, diosezy maitso, fampiofanana, vondrona sy fikambanana, haino aman-jery, fanakaikezana ny olona sy ny tontolony. Izao no fotoana hanehoana ny maha-fitaovana entina mitory ny Vaovao Mahafaly sy fanabeazana ny maha-olona manontolo ny Sekoly katôlika sy ny fikambanana masina, miaraka amin’ireo Vaomieran’asa samihafa. Aza sodokan’ny voka-panadinana sy fifaninana samihafa fotsiny. Hotadiavina amin’ny fomba sy ny sehatra rehetra ahafahana manao azy ny hahalalan’ny olona ny Fampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina.

“Mpivahinin’ny fanantenana”

9. “Aoka tsy hisy hangalatra ny fanantenana ao aminareo” [BENOIT XVI, Spe salvi, lah. 36.], hoy ny Papa Benoà faha-16. Na izao aza no mahazo antsika dia velomy hatrany ny fanantenana. Aza kivy eo anatrehan’ny sarotra, fa mitrakà hatrany miatrika ny fiainana sy manatanteraka amim-pitiavana ny adidy manandrify sady mikaroka hatrany izay mahasoa kokoa, araka ireo antso natao teo aloha. Tahaka ireo vahoaka tany an’efitra dia onena koa i Jesoa mahita izao fangirifiriana mahazo antsika izao. Manohina ny fony izany. Fon-dRaiamandreny tsy mahazaka ny manjo an-janany manko ny fon’Andriamanitsika, ka tsy afaka hijery fotsiny izy. Ary mipetraka hatrany ny teniny hoe: “Isaky ny nanao izany tamin’ireny madinika ireny ianareo dia nanao izany tamiko [...] Ary isaky ny tsy nanao izany tamin’ireny madinika ireny ianareo dia tsy nanao izany tamiko” (Mt 25, 34-46). Ny fitiavana no isehoan’ny finoana sy ny fanantenana sady mandavorary azy. Fitiavana manosika hiasa sy hiatrika ny fiainana izany ka hanorenana hoavy tsaratsara kokoa hatrany. Koa sady manao ny adidintsika isan’andro amim-pahitsiana isika no mivavaka tsy tapaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao” (Mt 6,10), sy hoe: “Ampitomboy ny finoanay” (Lk 17,5).

10. Iombonanay ny tenin’ny Papa Fransoà hoe: “Amin’ny fo maimay no italahoako ny fanantenana ho an’ireo mahantra an-tapitrisany maro izay tsy manana ny ilainy mba hivelomany” [Jereo FRANÇOIS, Spes non confundit, lah. 15.]. Tsy hanary toky àry isika fa hiatrika hatrany sy hahatsiaro tena fa mpiara-miombona antoka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara tanindrazantsika. Enga anie ny Taon-Jobily hamelona fanantenana ho an’ny isan-tokantrano sy ny Mpivahinin’ny fanantenana rehetra. Homba antsika hatrany anie ny vavak’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara sy Masindahy Josefa, miaraka amin’ireo Olomasina sy Olontsambatry ny tanintsika.

Mitsodrano anareo izahay Evekanareo.

Natao teto Antananarivo, 15 novambra 2024
Fahatsiarovana an’i Masindahy Albert Le Grand,
Eveka sady Mpampianatry ny Eglizy.

Son Exc. Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara.
Son Exc. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Evekan’Antsirabe, Filoha lefitra.
Son Exc. Mgr Jean Claude RAKOTOARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly.
Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina.
Son Exc. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana.
Son Exc. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Arsevekan’Antananarivo.
Son Exc. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa.
Son Exc. Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Arsevekan’i Toliary.
Son Exc. Mgr Francis Donatien RANDRIAMALALA, Evekan’Ambanja.
Son Exc. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé.
Son Exc. Mgr Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Mahajanga.
Son Exc. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Eveka voatendry ho an’i Farafangana.
Son Exc. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga.
Son Exc. Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy.
Son Exc. Mgr Clément Herizo RAKOTOASIMBOLA, Evekan’i Maintirano.
Son Exc. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra.
Son Exc. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary.
Son Exc. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy.
Son Exc. Mgr Gaetano DI PIERRO, Administratera Apôstôlika Farafangana.
Son Exc. Mgr Jean Désiré RAZAFINIRINA, Evekan’i Morombe.
Son Exc. Mgr Luc Olivier RAZAFITSIMIALONA, Evekan’i Tolagnaro.
Son Exc . Mgr Nicolas RAKOTOJAONA, Eveka Mpanampin’i Morondava.
Son.Exc. HERIVONJILALALAINA Orthasie Marcellin, Evekan’Ambatondrazaka.
Son Exc. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Eveka misotro rononon’Miarinarivo.
Son Exc. Mgr Michel MALO, Eveka misotro rononon’Antsiranana.
Son Exc. Mgr Armand TOASY, Eveka misotro rononon’i Port-Bergé.
Son Exc. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arseveka misotro rononon’Antananarivo.
Son Exc. Mgr Fulgence RABEONY, Arseveka misotro rononon’i Toliary.
Son Exc. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Eveka misotro rononon’i Tolagnaro.

[Miara-dàlana] Zoma 20 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Masina Maria tsy azon-keloka, ho fanamarihana ny fanokafana ny fankalazana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Nanomboka andiany vaovao amin'ny katesizy, mitondra ny lohateny hoe: “I Jesoa Kristy, fanantenantsika”, ny Papa François ny alarobia 18 desambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...