Samy tsy namaly ilay adi-hevitra natao teny amin'ny Centre Arrupe Faravohitra, ireo kandida ho ben'ny tanàna an'Antananarivo, avy amin'ireo antoko TIM sy ny vovonana Irmar, ao Antananarivo-renivohitra...
48 isa ireo olona voavonjy tao anatin'ny vedette nitondra tera-tany Sômaliana 70, nikasa ho an'ny Mayotte, olona miisa 2 maty no navarina an-dranomasina, ankoatra ireo vehivavy miisa 5 hafa maty tao amin'ny nosy Iranja...
Nahampafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny fitadiavana mpanazatra ho an'ny ekipam-pirenena "A" Barean'ny Madagasikara, izay naton'ny federasiôna, hikatona amin'ny 5 desambra izao ny tolotr'asa...
Tsy nisy afa-tsy herinandro monja ny fiatohan'ny ady nisy teo amin'ny Hamas sy ny Israeliana, tao anatin'ny 1 taona sy 1 volana.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.