♦ Sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany maraina indray ny sokatra 200 mahery, saika hahondrana an-tsokosoko. Teratany Malagasy roa no voalaza fa tompon'antoka... ♦ Miankina amin'izay Governemanta hijoro no hanohizana ny fitakiana, hoy ny SECES, tamin'ny fanambarana navoakany. Mbola tsy mari-toerana ny Governemanta misy ankehitriny, hoy izy ireo... ♦ Nahatratra 61% mahery ny tahan'ny fahafahana fanadinana bakalôrea, ho an'ny Faritanin'i Mahajanga. Mpianatra avy amin'ny sekoly tsy miankina no nahazo ny salan'isa ambony indrindra...

♦ Malemy ny fitondrana amin'ny Ben'ny Tanàna ho an'Antananarivo Renivohitra, hoy ny Ilo Mada. Nambaran'ny filohan'ity antoko ity fa efa ampoizina ireo fomba hanilihana ny mpifaninana amin'ny fikarakarana ny fifidianana amin'izao... ♦ Voatery nampidirina hôpitaly haingana i Mahery Lanto Manandafy omaly tolakandro. Ahiana ho tatry ny fahatapahan'ny lalan-drà ity mpanao pôlitika gadraina eny Antanimora ity... ♦ Tombanana hivoaka ny faran'ny herinandro izao ny valim-panadinana Bakalôrea 2024, ho an'ny Faritanin'Antananarivo...

♦ Mason-tsivana anisan'ny takiana amin'ireo mpilatsaka hofidiana ho Ben'ny Tanàna ny fandoavan-ketra. Namerina nampahatsiahy ireo kandidà ny Foibe Fitantanana ara-ketra... ♦ Hiroso avy hatrany amin'ny fanofanana ireo mpikambana amin'ny rantsana mpandray ny antonta-taratasin'ireo kandidà hilatsaka ho Ben'ny Tanàna ny CENI, amin'ity herinandro ity... ♦ Manjaka ny fanafihana mitam-piadiana hamoizana ain'olona, any amin'ny Distrikan'i Mananjary. Mpandraharaha iray no namoy ny ainy ny herinandro lasa teo...

♦ Manofana ireo mpikambana ao amin'ny rantsana mpandray antonta-taratasy filatsahan-ko fidiana amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ny CENI ankehitriny... ♦ Efa anatin'ny fanaraha-maso ny fikarakarana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina ny SAFIDY. Miara-miasa amin'ny fikambanan'ny mpitsara ANJA, amin'ny famolavolana torolalana hampahafantarana ny fandikan-dalàna mety hitranga ihany koa izy ireo... ♦ Manjaka ny asan-dahalo sy ny volo olona, amin'ny faritra samihafa manerana ny nosy, isan'ny itrangan'izany ny any Mananjary sy Toliara Faharoa...

♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

♦ Hanalalaka ny fanehoan-kevitra sy hanery ny mpitondra amin'ny fomba fitantanana ny firenena ny fahazoan'ny mpanohitra ny fitantanana an'Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste écologiste... ♦ Tokony esorina ny Tale jeneralin'ny Jirama amin'izao, fa sady tsy mahavaha olana no mbola karamaina lafo, hoy ny FIMZOMPAM. Nambaran'ity fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa ity fa vahaolana teo aloha no nambarany...

Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...

♦ Hirotsaka hofidiana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, raha ny nambarany androany... ♦ Efa tafaverina eto Madagasikara omaly alakamisy, ireo sokatra miisa 200 naondrana an-tsokosoko tany Comores... ♦ Efa miomana amin'ny fandraisana andraikitra sy ny fanaraha-maso ny aretina "Variole du singe", i Madagasikara...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'Ambatondrazaka i Mompera Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, Rektoran'ny Seminera Zokiny fandalinana filôzôfia, ao Toamasina... ♦ Nomarihana tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra teo ny JMJ andiany fahatelo ho an'ny Diôsezin'Ambanja...

♦ Miaina fahasahiranana maro ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao, hoy ny Docteur Pasitora Rakotozafy Denis, Filohan'ny FFKM. Hisy fivoriana ato ho ato hataon'ny FFKM, handinihana ny raharaham-pirenena... ♦ Tsy manana kaopia nahaterahana ny 26 %-n'ny zaza latsaky ny 5 taona eto Madagasikara. Efa misy ny ezaka hampakarana ny tahan'ny fananana kaopia, hoy ny Vovonan'ny fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny ankizy...

♦ Efa miroso amin'ny fandrafetana ny Governemanta vaovao ny Filohan'ny Repoblika sy ny Praiminisitra, ary tafiditra ao anatin'izany ny tomban'ezaka izay notakiana tamin'ireo Minisitra nametra-pialana... ♦ Manao ny adisisika amin'ny fampodiana an-tanindrazana ireo varika sy sokatra tra-tehaka tany Thailande ny volana mey teo, ny Tendrom-pitsarana miady amin'ny kolikoly, raha nandray ireo delegasiôna avy amin'ny Fitsarana Thailandais...

♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ho avy ny mpikambana handrafitra ny Governemanta vaovaon'ny Praiminisitra Ntsay Christian, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina androany... ♦ Efa vonona ny tetibola 52 Miliara Ariary, hiatrehan'ny CENI ny fanomanana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina amin'ny 11 desambra 2024, hoy ny filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Ho vaindohan-draharahan'ny Tale jeneraly vaovaon'ny Bianco, Razakamanantsoa Gaby Nestor, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny sehatry ny fananan-tany. Tontosa androany ny lanonam-pitsarana nametrahana azy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...