• Mbola hitohy amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy ny rotsak'orana. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Nahitana izany omaly ny tany amin'ny Faritra Betsiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro...
  • Mitady hiverina indray ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany nohadiadiana teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly...
  • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohitohina ny asa fanamboarana ny lalana Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka omaly...
  • Nihaona tao Etazonia omaly ny filoha amerikana sy ny praiministra israelianina. Nambaran'i Donald Trump fa hiroso amin'ny fanaraha-maso maharitra ny faritr'i Gaza i Etazonia...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...