Vakiteny voalohany

Bokin’i Barôka Mpaminany (Bar. 5, 1-9)

Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.

Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy,
mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,
ataovy ao an-dohanao ny hamamian’ny voninahitr’Ilay mandrakizay.
Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.
Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:
“Fiadanam-pahamarinana”, “Famiratam-pitiavam-bavaka”.
Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana,
ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin’Ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa mety ho tendrombohitra avo,
amam-batolampy fahagola ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hahamarintampona ny tany,
mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny didin’Andriamanitra.
Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely, amin’ny fahazavan’ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Eny nanao zava-dehibe ho antsika tokoa ny Tompo; ka revon-kafaliana isika.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!

Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory ity hafalianay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 4-6. 8-11)

Dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo.

Ry kristianina havana,
mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho,
noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely,
hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo,
dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.
Ary izao no angatahiko aminy,
dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,
mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa,
dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,
ary ho feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy,
ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)

Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara,
fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea,
i Herôda no tetrarka tany Galilea,
i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida,
i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona,
dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.
Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy,
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka,
araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany;
ny lohasaha rehetra hototofana,
ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy,
ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Samy tsy namaly ilay adi-hevitra natao teny amin'ny Centre Arrupe Faravohitra, ireo kandida ho ben'ny tanàna an'Antananarivo, avy amin'ireo antoko TIM sy ny vovonana Irmar, ao Antananarivo-renivohitra...
  • 48 isa ireo olona voavonjy tao anatin'ny vedette nitondra tera-tany Sômaliana 70, nikasa ho an'ny Mayotte, olona miisa 2 maty no navarina an-dranomasina, ankoatra ireo vehivavy miisa 5 hafa maty tao amin'ny nosy Iranja...
  • Nahampafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny fitadiavana mpanazatra ho an'ny ekipam-pirenena "A" Barean'ny Madagasikara, izay naton'ny federasiôna, hikatona amin'ny 5 desambra izao ny tolotr'asa...
  • Tsy nisy afa-tsy herinandro monja ny fiatohan'ny ady nisy teo amin'ny Hamas sy ny Israeliana, tao anatin'ny 1 taona sy 1 volana.

  • Mavaivay ny fifanenjehana eo amin'ireo samy kandidàn'ny fanoherana, ho an'ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitarika fiparitahan'ny vaton'ny mpanohitra izany, hoy Andriamatoa Ralison Roger...
  • Maro ireo mpanjifa no mimenomenona amin'ilay fakàna hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny Mobile Money. Misy ireo mitaky ny hanafoanana io hetra vaovao io...
  • Mampanahy ny tsy hananan'ny vehivavy anjara tany, raha sanatria misy fisaraham-panambadiana. Nisy ny fanadihadiana namoahana izany fehin-kevitra momba ny olan'ny fananan-tany izany...
  • Mizarazara ny hevitr'ireo tandrefana momba ny namoahan'ny CPI didy fampisamborana ny Praiministra Israeliana...

Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...

  • Sambany indray nilatsaka ny orana teto Antananarivo omaly hariva, rehefa ela no niandrasana azy. Orana artifisialy iny nirotsaka iny, hoy ny fampitam-baovaon'ny Jirama...
  • 20 taona izao no nanamarihan'ny Saleziana Don Bosco ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizy. Sekoly 13 no niara-nankalaza izany tetsy amin'ny Oratorio Ivato...
  • Misy fiaramanidina 17 efa tsy miasa intsony ankehitriny no mbola miantsona etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Manome 15 andro ny tompony hanalàna azy ireo ny ACM
  • Manasa ny Praiministra Israeliana hitsidika any Hongrie ny filoha Hongrois...

  • 20 taona nanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Ankizy, ny sekoly tantanan'ny Saleziana Don Bosco, Oratorio Ivato. Sekoly miisa 13 no niaraka nankalaza izany androany...
  • Tontosa androany teny amin'ny FIGN Fort Duchesne, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin'ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitran'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Isan'ny asa miandry ny Ben'ny Tanàna ho avy eo ny hijery manokana ny trano tokony hipetrahan'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasa...

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...

Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.

  • Andrasana hatramin'ny 2 desambra 2024 indray ny fahatongavan'ireo fitaovana sy kojakoja handrafetana ilay groupe voalaza fa hamokatra 105MW...
  • Mason-tsivana tsara hananan'izay ho mpanazatra vaovaon'ny Barea, ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpilalao any ivelany, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
  • Nahazo traikefa ireo Malagasy mpandraharaha voasafidy hitsidika sy hiofana tany Frantsa nandritra ny 15 andro...

  • Hifarana anio ety Ivato, rehefa naharitra telo andro, ny fiofanana natrehan'ireo Saleziana tanora miisa 17...
  • Ahiana hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Sehatr'asa fahatelo mampidi-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny tontolon'ny fizahan-tany...

  • Hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Hiverina indray ny delestazy eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo, noho ny olana ara-teknika. Adiny roa isaky ny fahatapahana izany, hoy ny Jirama androany...
  • Nahazo vahana ny doro tanety tamin'ity taona ity, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Ahitana izany tranga izany avokoa ny 75%-n'ny kaominina eto Madagasikara...

  • Vonona hanohana ny fampitomboana ny voka-bary eto Madagasikara ny tantsaha eto amin'ny nosy. Tsy ankasitrahan'izy ireo ny hanokanan'ny Fanjakàna Malagasy teti-bola goavana hividianana masomboly hampiroboroboana ny voly vary Riz Hybrid...
  • Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao Mandraka, Distrika Manjakandriana. Mbola mifarimbona mamono afo ny fokonolona sy ny tompon'andraikitra tao anatin'ny andro maromaro izao...
  • Hatsangana ny antenimieram-paritry ny tanora aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Natao teto Madagasikara nandritra ny 2 andro ny fivorian'ny kômity mpanatanteraka...
  • Rava omaly hariva ny governemanta any Mali notarihan'ny sivily. Miaina anaty rafitra tetezamita nanomboka ny taona 2020 ity firenena ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...