Tena mampiteny ny moana ny zavamisy eto Madagasikara ankehitriny, satria tena efa miantraika lalina any amin’ny aty vilanin’ny Malagasy mihitsy ny fiakaran’ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina andavan’andro, raha tsy hiteny afa-tsy ny vary izay foto-tsakafon’ny Malagasy isika. Efa tafakatra 4.000 Ariary izao ny kilaon’ny vary, izany hoe manodidina ny 200.000 Ariary ny iray gony. Tsy ny vary ihany no nahitana fisondrotam-bidy, fa saika ny entana ilain’ny mponina andavan’andro rehetra mihitsy, ny voamaina: toy ny tsaramaso ohatra dia efa tafakatra 2.000 Ariary ny kapoaka, raha 1.400 Ariary izany, telo volana lasa izay. Eo koa ny hen’omby izay efa 24.000 Ariary ny kilao, sy ny maro tsy voatanisa… Fanina tanteraka ny ankamaroan’ny fianakaviana, fa misy zara raha mihinan-kanina, eny e! koa ny hohanina mihitsy ary no mahafanina vao mahita azy koa.
Mifampiankina amin’ny lafin-javatra maro io vidim-bary io. Isan’izany ny vidin-tsolika, satria ny vary dia taterina avy any ambanivohitra, ka raha vao miakatra ny solika dia miakatra ny saram-pitaterana, ary miakatra ho azy ny vidim-bary. Fa miankina amin’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena kosa ny vary nafarana, eo koa ny saram-pitaterana amin’ny sambo, ka raha vao miakatra ireo, dia miakatra hoazy ny vidim-bary nafarana eto amintsika. Ahiana ny tsy hahamarin-toerana ny vidim-bary, manoloana ny mety ho fampiharana ny vidin-tsolika tena izy na “vérité de prix”, izay mety hiakatra na hidina. Samy nanantena ny valala be mandry, fa ho Arofanina ka mety hampidina kely ny vidin’ny vary sy ny entana ilain’ny mponina amin’ny andavan’andro ny nampidinana ny vidin-tsolika farany teo, izay teo anelanelan’ny 140 hatramin’ny 200 Ariary. Kinanjo! samy fanina ny rehetra fa nanantena ny tsy nisy. Sarotra ny hino fa hidina ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavan’andro. “Lanja miakatra manko ny fiainana e”, hoy ny oha-pitenenana iray izay.
Maro ny mpitondra nifandimby teto amin’ny firenena no nampanantena hampidina ny vidim-piainana, nefa zary lasa fampanantenana poakaty izany, nampandriana adrisa ny vahoaka, ka ilay vahoaka nanantena tsy nisy toy ny tain-tsokina dia sina sy gina toy ny valala voatango, amin’izay tsy tongatra hitsipaka, tsy tanana handrangotra. Ny manam-pahaizana eo amin’ny sehatry ny toekarena moa milaza fa: “ny fifandanjan’ny tolotra sy ny tinady no mamaritra ny fiakarana na fidinan’ny vidin’entana”. Ho an’ny sasany dia ny fitotonganan’ny Ariary mitaha amin’ny vola vahiny no mahatonga ny fidangan’ny vidin’ny entana ilain’ny mponina andavan’andro.
Fa fotoanan’ny maitso ahitra ihany koa izao. Fotoana izay mahavitsy ny tahirim-bary. Ny ankamaroan’ny tantsaha Malagasy mantsy tsy manana tahirim-bary rehefa fotoana tahaka izao, fa lany amidy rehefa fararano ny vokatra, hany ka rehefa tonga ny maitso ahitra dia izy ireo indray no mividy vary. Hany manana ny tahirim-bary ankehitriny dia ireo mpijirika izay manangona ny vary an-taoniny maro rehefa fararano, ary mivarotra izany amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao. Tsy azo lavina fa misy ihany koa ny fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidim-bary ankehitriny. Manampy trotraka izany rehetra izany ny fahasimban’ny lalana sy ny tetezana amin’izao fotoam-pahavaratra izao, fotoana izay mahabe ny rivodoza ihany koa. Hany ka mananosarotra ny famoaham-bokatra avy any ambanivohitra. Miakatra ho azy ny vidin’entana vokatr’izany… Tsy misy vahaolana matotra ho arofanina hifehezana ny vidim-pianana, fa toa variana amin’ny tetik’asa mamirapiratra sy haitraitra ny mpitondra fanjakana ankehitriny, ka tsy mahita ny tena maharary ny vahoaka, sa tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe mody fanina?…
Na izany aza anefa, tsy azo hodian-tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana. Herinandro lasa manko izay, dia nanampy ny tantsaha miisa 1.400 tao amin’ny Kaominina Tanambe Distrikan’Amparafaravola Faritra Alaotra Mangoro ny fitondram-panjakana. Fizarana hanampamokarana (masomboly vary safiotra sy zezika). Faritra 12 eto Madagasikara no hizarana izany, raha ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay tonga nizara izany tany an-toerana. Tanjona, hoy izy, ny hampitomboana ho 1 taptrisa taonina ny vokatra vary eto amintsika, hanatrarana ny fahaleovan-tena ara-bary amin’ny taona 2027, ary ho afaka hanondrana ny ambim-bava. Ho tratra ve izay fanamby izay? Miahiahy amin’ny fahasarotana amin’ny fahazoana masomboly vary safiotra, sy ny hahasimba ny tany amin’ny fampiasana zezika simika matetika ny tantsaha sy ny manam-pahaizana momba ny fambolena…
Ilaina ny mametraka arofanina: Vahaolana haingana sy maharitra no andrasana amin’ny mpitondra fanjakana, dia ny firosoana amin’ny politikan’ny kibo toa ny tamin’ny fitondran’i Dadabe Tsiranana, izany hoe atao laharam-pahamehana ny famokarana ny vokatra rehetra ilain’ny mponina andavan’andro, hampienana ny fanafarana entana avy any ivelany izay handaniana vola vahiny mampitotongana ny toe-karem-pirenena. Tohanana ara-teknika sy eo amin’ny hanam-pamokarana (masomboly, zezika, fanafody) ary omena fitaovam-pamokarana ny tantsaha. Amboarina ireo toha-drano manondraka ny tanimbary, hajariana avokoa ireo lemaka midadasika mbola tsy voatrandraka. Ezahina ahodiana eto an-toerana ihany koa ny vokatry ny tany rehetra, ka vokatra efa voahodina no ahondrana any ivelany. Efa tsara ny ezaka ataon’ny fitondram-panjaka amin’ny fametrahana ny ODOF taninketsaka Indostrialy, saingy tsy mbola ampy izany, fa tokony aparitaka manerana ny Nosy. Raha tanteraka ireo soso-kevitra rehetra ireo, dia ho voaaro ka tsy ho fanin’ny hanohanana isika Malagasy 30 tapitrisa, fa hahaleo tena ara-tsakafo, ary ho lasa sompitry ny Ranomasimbe Indiana sy ho voaporofo fa tena mandroso marina.