Arofanina! Matoan-dahatsoratry ny Radio Don Bosco, vokarin’ny Sampana fampahalalam-baovao. Arofanina! Hitondrana ny fomba fijerin’ny Radio Don Bosco ny toe-javatra iray misy amin’ny fiaraha-monina, na amin’ny sehatra maro samihafa (sosialy, toekarena, politika, trangam-piarahamonina, kolotsaina, sns...). Mazana mantsy toa hadino na iniana takonana mihitsy izy ireny, kanefa tena ilaina ny hampahafantarana sy hampahatsiahivana azy ireny ho fantatry ny sarambabem-bahoaka. Arofanina ho fiarovana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny demokrasia. Arofanina tsy handehanan’ny firenena amin’ny fivoizana ny vaovao tsy marina izay mamotika ilay toe-tsaina maha-malagasy manaja ny marina sy ny rariny.
Ny arofanina dia fitaovana na fomba iray hisorohana amin’ny loza mety hitranga. Hitantsika izany eny amin’ny lalam-pirenena eny, any amin’ireny trano lehibe fandraisam-bahiny ireny, fa amin’ny tranom-pianakaviana tsirairay koa e! Natao ireny hampahafantarana fa misy fetra tsy azo ihoarana ao ambadik’io arofanina io. Ka ny tsy fitandremana na tsy fanarahana io arofanina io, dia mitarika amin’ny loza. Loza tsy hoe tsy nampoizina, fa loza mananontanona efa nambaran’ny Arofanina mialoha saingy nodian-tsy hita na fanahy iniana notsinontsinoavina. Dia iza no homen-tsiny? Zovy no omem-pondro?
Ny Radio Don Bosco, onjam-peom-panabeazana: mikendry ny soa ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Manabe ny olom-pirenena ho vanona sy tompon’andraikitra. Voakitikitika amin’ny lafiny rehetra anefa io tombontsoa iombonana io, rehefa difotry ny fitiavam-bola, ny fitiavam-boninahitra ary ny fitiavam-pahefana ka tsy mihaino ny feon’ny fieritreretany intsony ny olombelona. Tadidio fa misy fiantraikany foana amin’ny olona hafa any an-kafa ny fomba fiainantsika sy izay ataontsika. Mifamatotra ny fiainantsika andavanandro. Toa hafahafa amintsika ohatra ny fahapotehan’ny toe-piainana mifandray amin’ny harena ankibon’ny tany. Fa ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy manaraka ireo fepetra mifandraika amin’izany koa, dia mety hahatonga antsika hiaina izany faharavan’ny tontolo iainantsika andavanandro izany.
Arofanina! Natao hanairana sy hampieritreretana ny olom-pirenena tsirairay, indrindra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, isan’ambaratongany mba hihevitra hatrany ny tombotsoan’ny vahoaka amin’izay atao, manoloana ny tranga iray, indraindray aza tena mafampana mila hahafanina. Arofanina! Fanilo hitari-dalana ho an’ny rariny sy ny fiadanana, araka ny foto-pampianaran’ny Fiangonana Katolika momba ny Fiaraha-monina sy ny Sosialy na ny Doctrine Sociale de l’Église.
Arofanina! Hanome fanantenana ny mpihaino sy ny olom-pirenena tsirairay, trotraky ny fiainana, kivy sy very hevitra, tsy mahasahy miteny na miresaka ny tena marina, manoloana ny sangodim-paninan’ny savorovoro ara-kevitry ny fiaraha-monina na ideolojia ateraky ny fahalovana eto amin’ny firenena. “Mpivahinin’ny fanantenana” isika, hoy ny lohahevitr’izao taon-jobily izao. Ka apetraka ny arofanina mba tsy ho fanina miampita ny tetezana ambonin’ny hantsana ara-piainana, ary dia ho todisoa amin’ny tanjona dia ny fivoaram-piainana amin’ny lafiny rehetra.
Onjam-peo tsy mialon-jafy ny Radio Don Bosco. Ka hitondra ny fomba fijeriny amin’ny ankolafy samihafa. Arofanina! Tsy hanindrahindra olona fa hevitra… hanabe ny olom-pirenena ho tompon’andraikitra hamantatra ny adidy sy ny andraikiny tsy hiandry na iza na iza, fa baikon’ny feon’ny fieritreretany. Hijoro ho arofanina, ho elanelam-panahy ho fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana. Hamolavola ho olom-banona sy tompon’andraikitra, araka ny efa natsidika tery aloha.
Arofanina! Tsy natao hanakianana be fahatany, fa kosa hitondrana fomba fijery miabo. Arofanina! Hitondrana tsikera ho fanatsarana sy hanorenana fiaraha-monina vaovao. “Ny tiana sy hendry ihany no anarina, hoy ny fitenenana”. Tsy hitsitsy fitenenana ho an’ireo manao “ta-tsy vinitra”, na olon-tsotra, na vondron’olona, na mpitondra na mpanohitra, ka mampikoroso fahana ny firenena, amin’ny andraikitra sahaniny, na amin’ny asa na fiteny avoakany. Tsy hihambahamba kosa anefa ny Radio Don Bosco hametraka arofanina: hanoro hevitra, hanoro lalana mety, ka hampizotra ny firenena, ny fiaraha-monina, ny fianakaviana, ny tokantrano hanaraka ny rariny sy ny hitsiny ary ny fahamarinana.
Koa samia mijery ny Arofanina, fa ny tsy fitandremana na fanaovana an-tsirambina kely foana dia hahafanina anao. Ary ny loza aza dia mety tsy ho ianao irery no ho fanina fa ny manodidina, ny fiarahamonina eny ny firenena manontolo mihitsy. Tsy hoe miantso tody, fa mametraka kosa arofanina, hitandreman’ny tsirairay, tsy haharendrika antsika anatin’ny sangodim-panina volen’ny hevi-dratsy etsy sy eroa.