• Tombanana ho levona an-tanety any amin'ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny 24 ora, ilay rivodoza Faida. Foana avokoa ireo filazana loza voarain'ireo Faritra sy Distrika voakasika teo aloha... • Fanosehana ny olona ho eny an-dalambe ny fandrarana ny fivorian'ny mpanohitra tato ho ato, hoy ny Antoko VAMI. Manahy ny ho avin'ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo... • Mihamaro isa ireo olona voatazona am-ponja amin'ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Lasa fomba ny fanaovan-dratsy ho an'ireo tsy manan-kialofana, mba ahafahana mahita toerana hipetrahana...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...