♦ Noafahana omaly ny Solombavam-bahoakan'i Tsihombe, Masy Goulamaly, rehefa notazonina nandritra ny 18 andro. Mbola araha-maso ara-pitsarana hatrany anefa ity olom-boafidy ity... ♦ Mety mbola ho maro an'isa eny Tsimbazaza ireo depiote mpanohana ny fitondrana. Tsy mbola hisy ny azon'ny mpanohitra hatao, raha tsy ovaina ny lalàna mifehy ny Antenimieram-pirenena, hoy ny antoko Teza... ♦ Nahazo famatsiam-bola 18 tapitrisa Euros, avy amin'ny Governemanta Alemà, ny fanjakana Malagasy. Famatsiam-bola hanohanana ny tetik'asa fampisitrahana herinaratra ireo faritra tsy mbola misy izany...

♦ Hanomboka avy hatrany anio ny fitsarana ny fanadinana CEPE omaly. Tombanana hivoaka mialoha ny fetim-pirenena ny voka-panadinana... ♦ Tsy ampy ny isan'ny laza adina jeôgrafia nandritra ny fanadinana CEPE teny amin'ny CEG Betsimitatatra. Tamin'ny 4 ora vao nanomboka ny fiatrehan'ny mpiadina io taranja io. Nitaintaina ny ray aman-dreny... ♦ Mikasa ny hanao hetsika manodidina ny kianjan'i Mahamasina indray ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy, amin'ny 26 jona 2024. Tsy ankasitrahan'izy ireo io daty io, ho tsingerin-taona niverenan'ny fahalevovantenan'i Madagasikara...

Ny fanadinana dia sedra ara- "psychopédagogique" ho an'ny mpianatra. Ny voambolana " Psychopédagogie" dia fitambaran'ny teny roa : Psychologie + pédagogie ; izany hoe fampianarana mifototra amin'ny toetra sy ny fomba fampitana fahalalana amin'ny olona iray. Ny fanadinana dia sedra ahafahan'ny mpianatra manomana ny sainy hiatrehany ny fiainany ho avy. Ny fanadinana dia fanabeazana ny mpianatra hahay hifehy fotoana sy hifehy tena... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mampisaotra, maha te hidera, mahatalanjona sy mampitolagaga ny fahaizan'Andriamanitra nanamboatra ny zavatra rehetra ka mampi-te hisokatra aminy isanandro. Tsinotsinona isika mitaha amin'ny fahalalan'Andriamanitra ary mirohanahana ihany izay mba fihevetsika, ka ny tsara indrindra dia ny mihaiky ny fahalehibiazan'Andriamanitra. Ny tsara indrindra ho an'ny olombelona dia ny miantehitra amin'Andriamanitra Mpahary. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

♦ Hafainganina ny famoahana ny valim-panadinana CEPE. Hanomboka rahampitso ny fitsarana ireo taratsim-panadinana... ♦ Nisokatra androany teny amin'ny kianjan'i Betongolo ilay hetsika Kermesin'ny Fiarovana sy ny Filaminana. Hetsika tafiditra amin'ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-64 niveranan'ny fahaleovanten'i Madagasikara sy ny tsingerin-taona niorenan'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Mikasa hanao hetsika manodidina ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy na ARFM, amin'ny 26 jona 2024...

♦ Taranja efatra no vitan'ireo mpiadina amin'ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, nandritra ity tapany maraina ity... ♦ Moto hatrany amin'ny 200 isa mivezivezy no efa nampidirina valan-tsazy, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Telo andro anio izao ny Pôlisim-pirenena no manao ilay “Opération Dona” an-dalambe ao an-drenivohitra... ♦ Olona mianaka no matin'ny lozam-pifamoivoizana tany Toamasina omaly maraina. Nofaohon'ny Taxi-brousse mpanao zotram-paritra ny Tuc-tuc nisy azy. Mpanampy mpamily no nitondra io fiara io...

♦ Hiatrika ny fanadianm-panjakana CEPE anio, ireo ankizy amin'ny kilasy Taona faha-5 manerana ny nosy... ♦ Miantso ny HCC hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidm-bahoaka ny vondron'ny firaisamonim-pirenena Rohy... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny solontenan'ny mpiasa Malagasy tany amin'ny Fivoriamben'ny OIT tany Genève, ireo mpitarika sendilà hatramin'izao. Notsikerain'ny FISEMARE ny fomba nitondrana ireo solontenan'ny sendikà tany an-toerana...

Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna... 

Mariky ny fahalehibiazana tsy hita pesipesenina ny fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra. Raha te hanahaka an'Andriamanitra ny olombelona noho izy noharian'Andriamanitra dia tsy maintsy miankina tanteraka aminy. Ny fahaiza-mivavaka amin'ny fitsahona sy ny fiderana ; amin'ny fifonana sy fangatahana ary amin'ny fitiavana sy fanajana ihany anefa no mari-drefy tokana hilazana mifandray amin'Andriamanitra ny olombelona. Katesizy momba ny misterin'ny fahariana, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

♦ Miantso ny HCC, ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena Rohy, mba hampihatra ny lalàna hiarovana ny safidim-bahoaka, ka tsy hitanila amin'ny famoahany ny voka-pifidianana... ♦ Mpiadina 529.000 no hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE manerana ny nosy, rahampitso... ♦ Tsy mbola naharay tatitra momba ny fitarainan'ny mpiasa Malagasy nentina tany Genève, ireo mpitarika sendikà, telo andro aty aorian'ny fivoriamben'ny OIT. Niresaka momba ity tranga ity ihany koa ny FISEMARE androany...

♦ Nankalazaina tamin'ny sabotsy sy alahady lasa teo ny Andro Maneran-tany faha-58 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, teto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Masera dimy mirahavavy ao amin'ny fikambanana Fo Masin'i Jesoa no nanonona ny voady mandrakizay tao amin'ny fikambanana, ny sabotsy lasa teo... ♦ Mamafy ny Evanjely, ary miandry amim-pitokiana ny fitombon'ny voa nafafy, io no nivoitra tamin'ny fampianaran'ny Papa François mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 12, 1-11)

Fantatro ankehitriny fa nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina mba hampahoriana
ny sasany anisan’ny Eglizy.
Nasainy novonoina tamin’ny sabatra i Jakôba rahalahin’i Joany.
Nony hitany fa nankasitrahin’ny Jody izany,
dia nasainy nosamborina koa i Piera.
Andron’ny azima tamin’izay.
Nony efa nosamborina izy, dia nataony tao an-tranomaizina,
ka nasainy nambenan’andia-miaramila efatra,
misy miaramila efatra avy;
fa rehefa afaka ny Paka vao kasainy hatolotra ny vahoaka izy.
Raha mbola notanana tao an-tranomaizina i Piera
dia tsy tapaka ny fivavahana nataon’ny Eglizy ho azy.

Tamin’ny alin’ny hamoahan’i Herôda azy,
raha natory teo anelanelan’ny miaramila roa lahy i Piera,
sady nifatotra tamin’ny rojo vy roa,
ary nisy mpiambina niambina teo am-baravaran’ny tranomaizina,
dia indro nisy Anjelin’ny Tompo sy fahazavana
namirapiratra tonga tampoka tao an-tranomaizina;
nanohina ny tehezan’i Piera ilay Anjely, namoha azy nanao hoe:

“Mitsangàna faingana”;

dia niala tamin’ny tanany ny rojo vy.
Ary hoy ilay Anjely taminy:

“Ataovy ny fehikibonao ary fehezo ny kapanao.”

Dia nataony izany, ka hoy indray ny Anjely:

“Tafio ny lambanao ary manaraha ahy.”

Dia nivoaka i Piera ka nanaraka azy;
tsy fantany ho tena zavatra anefa ny nataon’ny Anjely,
fa nataony ho fahitana fotsiny izany.
Nony efa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy,
dia tonga tao amin’ny vavahady vy fidirana ao an-tanàna;
nivoha ho azy io, ka tafavoaka izy ireo,
dia nizotra tamin’ny lalana iray, vao nilaozan’ilay Anjely tampoka izy.
Izay vao nahatsiaro fanahy i Piera ka nanao hoe:

“Fantatro ankehitriny fa efa naniraka ny Anjeliny tokoa ny Tompo,
ka nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Herôda sy ny fanampoizan’ny vahoaka Jody.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 33, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Ny Anjelin’ny Tompo mamonjy izay matahotra Azy.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava;
ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia.

Ombay aho mankalaza ny Tompo,
miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny,
ny tahotro rehetra nalàny tamiko.

Mibanjìna Azy fa ho mirana,
ny tavanareo tsy hangaihay;
ity ory velona antso ka novaliany,
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny Anjeliny milasy manodidina
mba hamonjy izay matahotra ny Tompo.
Ankafizo re fa mamy ny Tompo:
ary sambatra ny olona mifefy aminy.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 6-8. 17-18)

Hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana.

Ry zanako malala,
izaho dia mova tsy ny efa haiîdina ho fanatitra sahady,
ary efa antomotra ny andro hialako.
Niady ny ady tsara aho,
nahatanteraka ny fihazakazahana aho,
nitahiry ny finoana aho;
hany sisa hataoko dia ny mandray ny satro-boninahitry ny fahamarinana,
izay homen’ny Tompo Mpitsara marina ahy amin’izany andro izany,
ary tsy ho ahy ihany,
fa ho an’izay rehetra tia ny hahatongavany koa.
Nilaozan’ny olona aho, nefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy mba hanatontosako ny fitorianteny
sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy,
sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.
Hanafaka ahy amin’ny asan’ny ratsy rehetra ny Tompo,
ary hamonjy ahy ho amin’ny fanjakany any an-danitra.
Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay. Amen.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao no Piera (vatolampy) ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-19)

Ianao no Piera, ary homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
raha tonga tany amin’ny faritany atao hoe: Sezarean’i Filipo i Jesoa,
dia nanontany ny mpianany nanao hoe:

“Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?”

Ary hoy ireo:

“Ny sasany manao hoe i Joany Batista,
ny sasany i Elia,
ary ny sasany i Jeremia,
na ny anankiray amin’ny Mpaminany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Fa ianareo kosa,
ataonareo ho iza Aho?”

Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe:

“Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany,
fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao,
fa ny Raiko izay any an-danitra.
Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vatolampy),
ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko,
ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy.
Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra,
ka izay rehetra hofehezinao ety an-tany
dia ho voafehy koa any an-danitra,
ary izay rehetra hovahanao ety an-tany
dia ho voavaha koa any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...