♦ Feno 12 taona amin'ity taona 2024 ity ny nananganana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Hankalaza ny faha-130 taona niorenan'ny fikambanana sy ny faha-75 taona nahafatesan'ny Vénérable Mère Marie des Anges, ny fikambanana masera Carmélites de Sainte Thérèse de Turin, ny 6 ôktôbra 2024... ♦ Namarana ny famangiana apôstôlika andiany faha-46, nataony tany Luxembourg, ny Papa François omaly...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 15-23)
Ry kristianina havana,
nony reko ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra,
dia tsy mitsahatra ny manao fisaorana noho ny aminareo aho,
sy mahatsiaro anareo amin’ny fivavahako, mba homen’ny Rain’ny voninahitra,
Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, anareo
ny fanahin’ny fahendrena, amam-panambaràna hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo, ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoa-pampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona, sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fahefana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany, fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy, izay tenany,
famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany amin’ny rantsam-batany rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 8, 2-3a. 4-5. 6-7
Inty aho hihira ny fiandriananao.
Ambony sy madera manoatra ny lanitra.
Ireo vao minono sy ireo zaza bodo
no he miantsa Anao ka mitory fiderana.
Raha hitako ny lanitra nataon’ny tananao,
ny volana, ny kintana ’zay namboarinao;
fa inona ny olona no mba tsiahivinao!
Ny zanak’olombelona e tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy.
Ka enim-boninahitra izy nasondrotrao.
Ny asan-tananao foinao hozakainy.
Ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 8-12)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Na iza na iza hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona
dia hoeken’ny Zanak’Olona koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra;
fa izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona kosa
dia holavina koa izy eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra.
Na iza na iza hanao teny manohitra ny Zanak’Olona
dia hahazo famelan-keloka ihany,
fa izay hiteny ratsy ny Fanahy Masina kosa
dia tsy hahazo famelan-keloka intsony.
Raha entina ho any amin’ny Sinagôga sy ny mpifehy ary ny manam-pahefana ianareo,
dia aza manahy izay hamalianareo na izay holazainareo
fa hatoron’ny Fanahy Masina anareo eo no ho eo ihany izay holazainareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 4, 9-17a)
Ry malala,
tongava faingana atý amiko ianao,
fa nilaozan’i Damasy aho,
noho ny fitiavany an’izao tontolo izao,
ka lasa nankany Tesalônika izy.
I Kresensy lasa nankany Galasia,
ary i Tito any Dalmatia;
i Lioka irery no eto amiko,
ka alao i Marka, ento miaraka aminao,
fa manampy ahy fatratra amin’ny raharaha izy.
I Tisìko dia nirahiko ho any Efezy.
Ento kely ilay kapaoty navelako tany Trôasy
ao amin’i Karpôsa rahefa mankatý ianao,
ary ny boky koa,
fa indrindra ny taratasy hoditra.
Be loatra ny ratsy nafitsok’i Aleksandra mpanefy varahina tamiko;
ny Tompo no hamaly azy araka ny asany.
Ary ianao koa mitandrema tena tsara aminy,
fa mafy izay nanoherany ny teninay izay.
Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena;
fa nilaozan’izy rehetra aho;
enga anie ka tsy hotanana ho helony izany!
Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo,
sy nankahery fo ahy,
mba hanatontosako ny fitorian-teny,
sy handrenesan’ny jentily rehetra azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 144, 10-11. 12-13ab. 17-18
Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.
Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery;
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra!
Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy:
dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana!
Aleloia. Aleloia.
Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-9)
Tamin’izany andro izany,
nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo
ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy,
any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay efa halehany.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:
“Be ny vokatra fa ny mpijinja no vitsy;
koa mangataha amin’ny tompom-bokatra
mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany.
Mandehana;
indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry
eo afovoan’ny amboadia.
Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa,
na kiraro,
ary aza miarahaba olona akory any an-dalana.
Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe:‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’;
ka raha misy zanaky ny fiadanana ao,
dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo;
fa raha tsy misy kosa,
dia hiverina aminareo ihany izany.
Ary mitoera amin’izany trano izany,
ka mihinàna sy misotroa izay misy ao,
fa mendrika ny karamany ny mpiasa.
Aza mifindrafindra trano.
Ary amin’izay tanàna idiranareo,
raha mandray anareo ny olona,
dia hano izay atolony anareo;
sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe:‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masinday Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 1. 3-10)
Ry kristianina havana,
i Paoly Apôstôlin’i Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra dia mamangy ny olona masina,
mbamin’ny mpino ao amin’i Kristy.
Hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy,
amin’ny tso-drano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy nifidy antsika tao aminy talohan’ny nahariana izao tontolo izao
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana araka ny sitraky ny Fony,
mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
nampamirapirata ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika ao amin’Ilay malalany.
Izy no ahazoantsika ny fanavotana amin’ny Rany, sy ny famelana ny fahotantsika,
araka ny haben’ny fahasoavany, izay nomen’Andriamanitra be dia be ho antsika
tamin’ny fahendrena amam-pahalalana rehetra,
fa nampahafantariny antsika ny lahatra lalin’ny safidim-pony,
izay nofidin’ny hatsaram-pony hotanterahiny, rahefa feno ny andro:
dia ny hanakapohana ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4. 5-6
Ihirao antsa vao ny Tompo
fa mahagaga ny zava-bitany.
Fa ny tanany no namonjy,
nanampy Azy ny herin-tsandriny.
Ka dia hitan’ny firenena.
Ny famonjena amam-pahamarinany.
Mba tsarovy, ry Israely.
Ilay fitiavany tsy mivadika.
He zahao e, ry vazan-tany.
Izato vonjin’Andriamanitra.
O, ry tany, derao ny Tompo.
Ka mientàna amin-karavoana.
‘Ndao, antsao am-baliha ny Tompo.
Anaovy antsa sy fihobiana.
Feon’antsiva sy anjomara.
Enti-midera ny fiandrianany.
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 47-54)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina sy ny nipanora-dalàna nanao hoe:
“Loza ho anareo, fa manao fasana ho an’ny mpaminany ianareo,
kanefa ny razanareo ihany no namono azy!
Koa mitsangan-ko vavolombelona sy mpankasitraka ny nataon’ny razanareo ianareo,
fa izy moa namono ny mpaminany, ianareo kosa manao fasana ho azy.
Izany no nanaovan’ny fahendren’Andriamanitra hoe:
‘Haniraka mpaminany sy Apôstôly ho any aminy Aho,
ka ny sasany hovonoiny ary ny sasany hoenjehiny,
mba hampamoahina an’ity taranaka ity avokoa
ny ran’ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ny nahariana an’izao tontolo izao.
Dia hatramin’ny ran’i Abela ka hatramin’ny ran’i Zakaria
izay novonoina tanelanelan’ny ôtely sy ny tempoly.’
Eny, lazaiko aminareo fa hampamoahina an’izany tokoa ity taranaka ity.
Loza ho anareo, ry mpampianatra ny Lalàna, fa nalainareo ny fanalahidin’ny fahalalana,
ka ianareo tsy niditra, ny te-hiditra nosakananareo.”
Raha mbola niteny izany Izy,
dia nododonan’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna, ary nozezehany fanontaniana maro,
mba hamandrihany Azy sy hahazoany vava latsaka hiampangana Azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 5, 18-25)
Ry kristianina havana, raha tarihin’ny Fanahy ianareo,
dia tsy mba ambanin’ny Lalàna intsony.
Ary miharihary ny asan’ny nofo,
dia fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,
fanompoan-tsampy, fanaovana ody mahery, fifankahalana,
fifandirana, fialonana, fahatezerana, ady lahy,
fifampiandaniana, fitokoana, fitsiriritana, famonoana olona,
fimamoana, filerana, sy ny zavatra toy izany.
Ary lazaiko anareo rahateo, araka ny efa voalazako fahiny koa,
fa izay manao izany dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny vokatry ny Fanahy kosa dia izao:
fitiavana, fifaliana, fiadanam-po, fahari-po,
hamoram-panahy, hazavam-po, tsy fivadihana,
fahalemem-panahy, fahalalana onona;
tsy misy izay Lalàna mikasika an’ireo.
Izay an’i Kristy Jesoa dia efa namàntsika ny nofony
mbamin’ny faniriana amam-pilan-dratsiny tamin’ny Hazofijaliana.
Velona amin’ny Fanahy isika, ka aoka handeha amin’ny Fanahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6
Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany,
ny Lalàny no saininy andro aman’alina!
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy
mamokatra ara-potoana,
tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo,
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 42-46)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza hoe:
“Loza ho anareo, ry Farisianina,
satria ny fahafolon’ny solila sy ny rota ary ny anana rehetra aloanareo,
ary ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra tsy asianareo raharaha akory;
nefa tsy maintsy atao izany, ary tsy azo ajanona koa ny sisa.
Loza ho anareo, ry Farisianina,
fa tia ny toerana voalohany ao amin’ny sinagôga sy ny arahaba eny an-kianja ianareo.
Loza ho anareo, fa toy ny fasana tsy hita ianareo, ka hitsahin’ny olona fa tsy fantany.”
Dia niteny ny mpampiana-dalàna anankiray ka nanao taminy hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
raha izany no ataonao, dia manala baraka anay koa Ianao.”
Fa hoy i Jesoa:
“Loza ho anareo koa, ry mpampianatra ny Lalàna,
fa mampitondra entan-tsy zaka ny olona ianareo,
nefa na dia ny rantsan-tananareo iray aza tsy akasikareo an’izany akory.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 4, 31b — 5, 6)
Ry kristianina havana, tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, ka mijoroa amin’izany,
fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
Izao no lazaiko, izaho Paoly, aminareo:
Raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely aza i Kristy.
Eny, averiko indray amin’ny olona rehetra manaiky hoforana
fa vao mainka koa voafehy hanatanteraka ny Lalàna rehetra aza izy.
Fa tafasaraka amin’i Kristy ianareo rehetra mitady fahamarinana amin’ny Lalàna,
ka lavo niala tamin’ny fahasoavana ianareo.
Izahay kosa dia amin’ny Fanahy sy noho ny finoana no iandrasanay ny fanantenana ny fahamarinana;
satria ao amin’i Kristy Jesoa dia tsy mampaninona izay famorana na tsy famorana,
fa ny finoana ampiasain’ny fitiavana ihany no izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 41 sy 43. 44 sy 45. 47 sy 48
Ho tonga amiko, ry Tompo, ny hatsaram-ponao:
dia ny famonjenao araka ny teninao!
Aza alàna amin’ny vavako ny tenim-pahamarinanao:
fa ny satanao no antenaiko.
Izaho mitandrina ny lalànao lalandava,
ka ho mandrakizay antaranoana.
Miriaria an-kalalahana aho satria mikaroka ny Lahatrao.
Ny firavoako dia ny baikonao,
izay mamiko aoka izany!
Ny baikonao no fanandratako tanana;
ny fitsipikao no fifaliako
Aleloia. Aleioia.
Araikao amin’ny Fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.
Aieloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 37-41)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy,
ka niditra Izy dia nipetraka nihinana.
Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita ity Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana,
ka hoy ny Tompo taminy:
“Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia,
kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana.
Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa?
Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo,
dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nomarihana ny faran'ny herinandro teo ny andro eran-tany ho an'ny fizahan-tany. Hetsika maro no nankalazana izany tao Antsirabe. Nanome voninahitra ny lanonana ny Ministra tompon'andraikiitra... ♦ Mamaha olana maro ho an'ny mpanjifa ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny tolotra tao raharaha avy amin'ny fanjakàna. Sakana nefa ny fahafahan'ny Malagasy mahazo ny internet hoy ny CCOC... ♦ Andry iankinan'ny firoboroboana ny teknolojia ny fifehezana ny matematika. Mihena nefa ny fitiavan'ny malagasy mpianatra ny taranja siantifika amin'izao fotoana izao... ♦ Hampitombo ny krizy ara-toekarena any Liban ny ady eo amin'ny Israeliana sy ny Hesbolah...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 4, 22-24. 26-27. 31 — 5, 1)
Ry kristianina havana, voasoratra fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama,
ny iray tamin’ny mpanompovavy, ary ny iray tamin’ny olona afaka.
Ilay zanaky ny mpanompovavy, nateraka araka ny nofo;
ary ilay zanak’olona afaka, araka ny fampanantenana.
Ohatra amin’ny fanekena roa izy roa vavy ireo:
ny iray moa, avy amin’ny tendrombohitr’i Sinaï,
miteraka ho amin’ny fanandevozana, dia i Agara izany.
Fa i Jerosalema any ambony izay renintsika kosa, dia tsy mba mpanompo;
fa voasoratra hoe:
“Mifalia, ry momba, dia ianao izay tsy niteraka!
Miantsoa mafy amin-kafaliana sy firavoravoana,
ianao izay tsy mbola nihetsi-jaza!
Fa ny zanaky ny mananotena no maro noho ny an’izay manambady!”
Koa amin’izany, ry kristianina havana,
tsy zanaky ny mpanompo isika, fa zanak’olona afaka.
Efa navotan’i Kristy ho amin’ny fahafahana isika, koa mijoroa amin’izany,
fa aza mety hampidirina amin’ny jiogan’ny fanandevozana intsony.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 112, 1-2. 3-4. 5-7
Derao ry mpanompon’ny Tompo,
derao ny Anaran’ny Tompo.
Tsarovy ny Anaran’ny Tompo,
na izao na ho mandrakizay.
Tongava marain-tsy hariva
hidera ny Anaran’ny Tompo.
Ambonin’ireo firenena,
ny lazany avo dia avo.
Moa misy mitovy amin’ny Tompo?
Ny Tompo mitoetra any ambony.
Miondrika Izy mijery na lanitra izany na tany.
Alàny amin’ny fako ny ory, esoriny avy eo ny mahantra.
Aleloia. Aleloia.
Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-42)
Tamin’izany andro izany,
nitangorona betsaka ny vahoaka, dia nilazan’i Jesoa hoe:
“Taranaka ratsy ity taranaka ity;
mitady famantarana izy, nefa tsy homena afa-tsy ny famantaran’i Jônasa mpaminany.
Fa tahaka ny naha-famantarana an’i Jônasa tamin’ny olona tany Niniva
no haha-famantarana ny Zanak’Olona koa amin’ity taranaka ity.
Hiara-mitsangana amin’ny olona amin’ity taranaka ity
ny mpanjakavavy avy any Atsimo amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy mihoatra noho i Salômôna eto.
Hiara-mitsangana amin’ity taranaka ity
ny olona tany Niniva amin’ny andro fitsarana ka hanameloka azy,
satria nibebaka tamin’ny toritenin’i Jônasa izy ireny,
nefa indro misy mihoatra noho i Jônasa eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 17, 7-11)
Nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina;
niantso aho, ka tonga tamiko ny Fanahy Fahendrena.
Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra;
ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin’izany.
Tsy nampitovìko taminy, ny vato saro-bidy indrindra;
fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin’izao tontolo izao miolotra aminy,
ary tsy maintsy ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy.
Tiako noho ny hasalamana aman-katsaran-tarehy izy;
naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana,
satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony.
Tonga tamiko miaraka aminy ny soa rehetra;
ary harena tsy hita lany, no eo an-tanany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 89, 12-13. 14-15. 16-17
Asehoy ny tokony ho fanisanay ny andronay,
dia mba hisy fahendrena ao am-ponay.
Miverena, Tompo ô! — Mandra-pahoviana?
Aoka Ianao hilefaka amin’ny olonao!
Hetsaho faingana amin’ny fitiavanao izahay,
ka hihoby sy hifaly amin’ny andronay sisa.
Araka ny taona sy ny andro nanasazianao
no aoka hampifalianao anay.
Asehoy ny mpanomponao ny asanao;
ny voninahitrao asehoy ny zanany.
Tongava ao aminay ny hamamian’ny Tompo!
Hamafiso ny asan’ny tananao!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 4, 12-13)
Ry kristianina havana, velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra,
ka maranitra noho ny sabatra roa lela,
maninteraka ny fiavahan’ny aina sy ny fanahy, ary ny famavàny sy ny tsoka aza;
fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo.
Tsy misy zava-boaary miafina eo anatrehan’Andriamanitra,
fa mihanjahanja sy miharihary eo imason’Izy hampamoaka antsika,
ny zavatra rehetra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 17-30)
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa,
dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany,
ka nanontany Azy hoe:
“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nahoana no ataonao hoe tsara aho?
Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery.
Fantatrao ny didy hoe:
Aza mijangajanga,
aza mamono olona,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
aza manambaka,
manajà ny rainao aman-dreninao”.
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Mpampianatra ô,
hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany”.
Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe:
“Zavatra iray loha no tsy ampy aminao:
mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao,
ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy”.
Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy,
ka niala tamin’alahelo.
Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe:
“Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!”
Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany,
dia hoy indray i Jesoa taminy:
“Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.
Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra”.
Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe:
“Iza àry no mety ho voavonjy?”
Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe:
“Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany;
tsy mba toy izany amin’Andriamanitra,
satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra”.
Ary hoy i Piera taminy:
“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao”.
Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano,
na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany
noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely,
ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity,
dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany,
na dia ao anatin’ny fanenjehana aza,
ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Notsipahan'Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko ny firotsahan-kofidian'Andriamatoa Rivo Rakotovao ho ben'ny Tanàna ao Mahajanga-I, amin'ny anaran'ny vovonana Firaisan-kina. Nametraka fitoriana teny amin'ny CENI izy ny faran'ny herinandro teo... ♦ Atsy amin'ny nosy Maorisy ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina, hanatrika ny lanonam-pianianan'ny sekretera jeneralin'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana vaovao Edgard Razafindravahy hotanterahana anio izy... ♦ Nomarihana ny sabotsy 28 septambra teo ny andro eran-tany iadiana amin'ny haromontana. Aretina mbola mamono olona am-polony maro eto Madagasikara vokatry ny kaikitry ny alika mararain'ny haromontana...
Anisan'ny olona niavaka tamin'ny fitiavam-bavaka i Masina Maria. Hita taratra tamin'ny fiainany izany vavaka izany satria tsy nisaraka tamin'Andriamanitra izy. Porofon'izany ny hoe feno fahasoavana taloha ny zavatra rehetra izy ary tsy misy tsiny sy loto ; eo koa ny fanetrentena nananany, miampy ny halemempanahy ary ny fahatsorana... Katesizy momba any Maria, modely amin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
Ampianarin'Andriamanitra mitso-drano isika : mifampitso-drano isika ary mifampivavaka. Maneho hafaliana amin'ny fianarana an'Andriamanitra, miala amin'ny fahalemena mahazatra ; mangataka ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fo voa-tso-drano tsy afaka mamoaka ozona, sy teny ratsy fa mamoaka teny soa sy tsara... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco