• Nihaona voalohany tamin'ny Papa Léon XIV androany ny Evekan'i Madagasikara... • Olona 9 tamin'ireo 39 notsaboina noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ny trano fandraisam-bahiny iray, no maty teny amin'ny HJRA... • Naneho hevitra ho an'ireo mikasa ny hanakantsakana ny fandraisan'i Madagasikara ny fihaonan'ny SADC, ny Praiminisitra Ntsay Christian androany...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
♦ Natao hanampy ny fitondrana mpanatanteraka amin'ny asany ny fihaonana eo amin'ny loholona sy ny mpikamban'ny governemanta hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona Richard Ravalomanana... ♦ Mbola azo atao tsara ny manarina ny orinasa JIRAMA raha tena atao laharam-pahamehana hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine... ♦ Nitrangana fanampoizinana ara-tsakafo nandritra ny lanonana iray nitranga teny Ambohimangakely omaly alahady, anatin'ny fanadihadiana hamaritana ny zava-nitranga nahatonga izany ny tompon'andraikitra amin'izao fotoana izao...
26 Jona 2025, feno 65 taona amin’ity taona ity no niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara. Amin’ny maha firenena mahaleotena antsika izay, dia mari-pamantarana an’izany ny fananana ny sainam-pirenena. Manana ny sainam-pirenena mampiavaka antsika amin’ny firenena hafa i isika malagasy. Teo amin’ny tantara dia ny Romana sy grika no nampiasa ny saina voalohany nentina namantarana ny Fanjakana sy ny antokon-tafika tao aminy. Fampiasa tamin'ny sehatry ny ady hanavahana ny tafika mifanandrina avy ny saina. Tamin'ny taonjato faha 16 kosa vao nanana ny endriny fahita amin'izao fotoana izao ny saina dia ny lamba mihofahofa.
♦ Nihaona tamin'ireo mpino teratany Malagasy mipetraka any Rome omaly alahady ireo Evekan'i Madagasikara nandritra ny hetsika fivahinianana Masina ataon'izy ireo any an-toerana... ♦ Fepetra isany takian'ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ho an'ny famatsiam-bolan'ny FEC sy ny FRD 2025 ny volavolan-drija-tenin-dalàna mifehy ny fitantanana ny kitapom-bolam-panjakàna vaovao, izay nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana ny faran'ny herinandro teo...♦ Tsy tanteraka ilay hetsika nokasain'ny Gasy MRV, saika natao teny Antanimbarinandriana tamin'ny sabotsy teo, hetsika saika hanehoana hevitra momba ny olan'ny delestazy...
Ny fahefana mitantana iantsorohan'ny Eveka, izay marihina marihina fa izy vatan-tenany manokana ary tsy hikambanany amin'ny hafa dia avy amin'i Kristy. Azy manokana io fahefana io ary ara-dalàna sy faratampony. Ny Sakramenta Filaharana maha Eveka dia fahafenoan'ny maha mpisorona ao amin'ny laharan'ny Eglizy, ny Eveka dia manana ny zo masina sy adidy eo anatrehan'ny Tompo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
♦ Naneho ny heviny, Mompera Rakotondranaivo Herisoa José Gaston, taorian'ny fanendrena azy, ho lehiben'ny fikambanana Saleziana Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice... ♦ Tokony nakàna hevitra ireo mpisehatra rehetra, vao nisy ny fanolorana tolo-dalàna hanavaozana ny lalàm-pifidianana hoy ny Sampana Safidy... ♦ Efa tapi-dalan-kaleha ny fitondram-panjakàna Malagasy ka tsy antenaina hitondra fampandrosoana an'i Madagasikara intsony, raha ny nambaran'ny solombavambahoaka avy amin'ny vovonana Firaisankina... ♦ Taorian'ny fifanafihan'i Israely sy Iran omaly, dia manahy mafy amin'ny fihitaran'ny ady any amin'ny faritr'i Moyen-Orient ny firenena hafa...
Ny fahantrana dia vokatry ny fitiavan-tena. Antony fahantrana : tsy manangom-bola mihitsy eo amin'ny fiainana, tia mividy zavatra mora, manao trosa lava, tsy mifanampy, miteraka aloha loatra anefa tsy mbola manana ninoninona, miandry foana ny hafa (mangataka lava), tsy mianatra sy tsy tia mamaky boky, tsy manana tanjona mazava, tsy manana fahazaranan-tsaina hamokatra, tsy mino hadingana fiovana, mora kivy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahadin'ny Trinite Masina : Andriamanitra tokana fa olona telo - Voninahitra anie ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina, Andriamanitra ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy. Ny mistery dia tsy takatry ny saina sy tsy hay hazavaina hoy Masindahy Athanase : "raha Andriamanitra takatry ny sain'olombelona dia tsy Andriamanitra marina". Tamin'ny taon-jato fahatelo no nampiasana ny teny hoe "Trinité" voalohany, izay fitambaranà teny roa "Tri" sy "Unité", izany hoe telo anefa iray. Voalaza ao amin'ny Soratra Masina, ny maha tokana anefa olona telo an'Andriamanitra, na ao amin'ny Testamenta Taloha na Testamenta Vaovao...
Alahady manaraka ny Trinite Masina – Taona D : Fankalazàna ny vatana aman-dra masin’i Kristy ; sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia. Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Isaky ny mankalaza ny Eokaristia isika dia mitsaoka ny vantana aman-dran'i Jesoa Kristy, izay faratampony sy ivon'ny fiainan'ny Kristianina ; manambara ihany koa fa tsy Andriamanitra lavitra izy fa Andriamanitra miara-dalàna amin'ny olombelona mino Azy. Ny "procession" dia fanomezam-boninahitra ny Vantana aman-dran'i Kristy...
♦ Notendren'ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana maneran-tany, Mompera Fabio ATTARD, ho Lehiben'ny Fikambanana Saleziana eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice i Mompera Rakotondranaivo Harisoa José Gaston... ♦ Nihintsana teo amin'ny ankatoky ny famaranana (démi-final" ny ekipam-pirenena Malagasy tamin'ilay COSAFA CUP 2025. Lavon'i Angola tamin'ny isa 4 no ho 1 ny Barea omaly... ♦ Notanterahana omaly teny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha ny fanokafana ny fankalazana ny andron'ny tambazotry ny tanora mandala ny fahitsiana sy ny fahamarinana andiany faha-13...
Na inona na inona fivoriana manotrona ny Alitara ka mifanaraka amin'ny fandraharahàna masin'ny Eveka dia fambaran'ilay fitiavana sy firaisan'ny Vatana izay hany azo anantenana famonjena. Ao amin'ny Eokaristia no anisan'ny sehatra hitoriana ny Vaovao Mahafaly, hanangonana ny mpino hankalazana ny Misterin'ny fanasan'ny Tompo, ireo rehetra miombona amin'izany dia atambatry ny vatan'i Jesoa... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco