Ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy dia miankina amin'ny Eveka satria izy no mpisorombe. Asan'i Kristy manontolo ny Litorjia ary mandray anjara sy manaraka izany ny rantsana rehetra araka ny laharany avy, noho izany dia tsy azo ampiana araka izay itiavana azy ny Litorjia fa izay efa niainan'i Kristy azy no ezahin'ny Eglizy atao sy hampitaina amin'ny mpino... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...