♦ Hihatra manomboka amin'ity volana novambra ity avokoa ireo tolotra momba ny fanampiana ny fianakaviana, ho an'ireo misitraka izany eo anivon'ny CNaPs... ♦ Mbola asa goavana ny fiarovana ny zon'ny ankizy eto Madagasikara satria mijanona an-taratasy fotsiny ny ankamaroan'izany... ♦ Nahemotra ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo maniry ho "Agent de Police". Efa azo raisina eny amin'ny ENMG kosa ny taratasy fiantsoana ho an'ireo mpiadina voasoratra ara-dalàna amin'ny fifaninanana hidirana ho mpitsara... ♦ Miteraka ady hevitra be any Frantsa, ny filazàn'i Fabien Mandon fa tsy maintsy mahafoy ny zanany i Frantsa manoloana ny ambana ady amin'ny Rosia... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...