♦ Mbola tsy tratra ny zava-voarakitra ao anatin'ny fanambarana iombonana momba ny zon'olombelona tamin'ny 1948, momba ny zo hisakafo. Maherin'ny 730 tapitrisa no miaina anaty hanoanana eran-tany... ♦ Sakana amin'ny fampivelarana ny famokarana solika Bio Diesel ny tsy fisian'ny fenitra momba izany, eto Madagasikara... Mbola tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio ho an'ny sekoly EPP manerana ny nosy. Isan'ny misedra izany olana izany ny EPP Fitroafana Talamaty...

Ny vavaka, ny fivavahana dia fitodihana any amin'Andriamanitra ; fankatoavana, finoana sy fitokisana Azy. Fanandratana ny fo, fanahy sy ny tena manontolo mankany amin'Andriamanitra mba hisaotra amin'ny fanomezany. Ny Litorjia dia fanompoam-pivavahana ataon'ny vahoaka ho an'ny vahoaka, asa iaraha-manao ka misy firindràna efa raikitra. Ao amin'ny Litorjia no anohizan'ny Eglizy ny asa-pamonjena...  Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.

Mahakasika ny mpiasa sy ny mpampiasa ny sehtra rehetra : mpivarotra, mpandraharaha, ny tantsaha... Ny Mpampiasa dia manana ny zony manoloana ny mpiasa ; ity farany dia manana andraikitra hamita ny asa nifanarahany tamin'ny mpampiasa, ary mananjo handray karama ara-drariny. Mila fandanjalanjana ny sandan'ny asa nataon'ny olona iray, manan-jo hakaina ny mpiasa. Tsy tokony hifangalatra ny mpiara-belona... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny "AVC" dia tsy fahatomombanana tampoky ny fiasan'ny atidoha noho ny fijanonan'ny famatsiana ra ho an'ny atidoha. Ny olona rehetra dia mety ho voakasiky ny "AVC" ;  izy ity dia vokatry ny fahatsentsenan'ny lalan-dra na ihany koa mihenjana mafy loatra ny lalan-dra. Ny "AVC" dia misy karazany roa : 1-  AVC isquemique (tsentsina ny lalan-dra) ; 2- AVC hemoragique (tena tapaka ny lalan-dra), samy mamela takaitra ireo... Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

 ♦ Vonona hanohana an'i Madagasikara hanatsaràna ny famatsiana herinaratra ny Governemanta amerikàna. Nisy ny fivoriana sy fanaovana sonia fiaraha-miasa amin'ny tetik'asa Power Africa... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny Malagasy tratry ny aretina ateraky ny fiakaran'ny tosi-drà amin'izao. Efa misy mpianatra 19 taona ankehitriny no efa tratran'izany, araka ny nambaran'ireo mpitsabo... ♦ Zanaky ny sahirana 320 amin'izao no ampianarina sy omen'ny ONG Tsaramanasoa sakafo antoandro isan'andro. Miantso mpiara-miombon'antoka ity Firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon'ny ankizy ity... ♦ Notafihan'i Israel alina ny toby fanamboarana missile iraniana...

Alahady faha-30 mandavantaona — B : mpanelanelana sy mpanasitrana mahay miantra i jesoa kristy ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Nanova ny fon'ny olona i Jesoa, ary ny finoana no tena mahasitrana. Jamba ara-panahy isika ka mila mpanasitrana, matevina loatra ny sarona mandrakotra ny fahitana anaty manazava antsika. Saritsarin'Andriamanitra no fahazoantsika an'Andriamanitra izay zary sakana tsy hanompoantsika an'Andriamanitra marina amin'ny fo faly. Ny tena finoana no tena hery mampitsangana hitsena an'i Kristy sy hiara-hiasa amin'ny hafa, tsy olona mibahan-toerana, tsy tia tena fa manao ho zava-dehibe ny antson'Andriamanitra...

♦ Miatrika fivoriambe isan-taona ireo lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Nisy indray ny fihetsiketsehana fanoherana ny fahatapahan-jiro teny Anatihazo Isotry, omaly hariva. Hetsika fanindroany teto Antananarivo, tao anatin'ny telo andro farany... ♦ Fitsabahan'ny Fanjakàna Malagasy any amin'ny CAF ny nambaran'ny Ministry ny Fanatanjahantena fa hanaraka akaiky ny fitoriana momba ny lalaon'ny Barea, hoy ny K2HB... ♦ Tafakatra 1.500 ireo olona namoy ny ainy any Liban hatrizay nipoahan'ny ady eto amin'ity firenena ity sy i Israel, Efa maherin'ny 700.000 hatramin'izao ireo nitsoam-ponenana...

Manampy antsika ny vavaka fiderana, ary ny katesizy dia mamaritra izany. Ny fiderana no endrika vavaka izay manaiky eo no eo mivantana fa Andriamanitra no Andriamanitra. Mihira Azy ho an'ny Tenany ihany ny fiderana, manome voninahitra Azy, ary ambadik'izay ataon'Izy Andriamanitra satria Izy no Izy. Ny fiderana no mandray anjara amin'ny hasambaran'ny fo madio izay mino Azy amin'ny finoana...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Noho i Kristy, misy dikany marina ny fahafatesana kristiana "raha ny amiko dia i Kristy no ahavelomako ary, fahafatesana no azahoako tombony" ; teny mahatoky tokoa izao : raha miara maty Aminy isika, hiara-belona Aminy. Ao amin'ny fahafatesana no niantso ny olombelona hakany Aminy Andriamanitra. Tsy manana afa-tsy fotoana voafetra ihany isika ary ny fahafatesana no hahatsiarovantsika izany...  Katesizy momba ny vavaka fiderana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Namoaka ny andiany vaovao misalotra ny anarana TAFARAY androany, ny ivontoerana fanofanana araka asa, Centre de Formation Professionnelle Marie Auxiliatrice, Ivato... ♦ 20 taona nisehatra tamin'ny fanomezana tantsoroka ho an'ny fianakaviana marefo ny fikambanana Kolo Aina...

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

2 nôvambra 2024 — Fahatsiroavana ny mpino nody mandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 1-6)

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...