♦ Tsy hiasa rahampitso, noho ny fampiatoana araka asa sy ny fanapahana ny karaman'ireo Solompampanoa miisa efatra, ny sendika SMM... ♦ Adikan'ny Federasiôna Nasiônalin'ny Fampianarana tsy miankina eto Madagasikara ho fanapotehana ny fanabeazana ny handefasana amin'ny ampaham-bolan'ny fampianarana ho an'ny Jirama... ♦ Roa no namoy ny ainy ary dimy hafa naratra, vokatry ny varatra nilatsaka tao Antanisarotra Betafo...
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Farafangana, ny 31 ôktôbra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan'i Fenoarivo Atsinanana... ♦ Notontosaina ny 3 nôvambra 2024 ny Eokaristia Masina fanokafana ny taom-piofanana 2024-2025, ho an'ny Grand Séminaire de Théologie, Masindahy Jean Marie Vianney, Mangarivotra Moramanga... ♦ Loharano sy fototra ny fo, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus, ny 3 nôvambra 2024...
♦ Hotanterahana ny alahady 5 janoary 2025 ny fametrahana ny Eveka Vaovaon'ny Diôsezin'i Farafangana, Mgr Marcelin Randriamamonjy eo amin'ny Katedra araka ny fomban'ny Fiangonana... ♦ Voatery niverin-dalana teny ampanidinana omaly ny sidina mampitohy an'i Paris sy Antananarivo an'ny kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Air France noho ny fahitàn'ny mpanamory toe-javatra mampiahiahy teny ampanidinana tao amin'ny fari-dranomasina Méditerrané... ♦ Tandondomin-doza noho ny fanapotehana ny tontolo iainana ny velontenan'ireo mpanjono amin'ny farihy misy eto Madagasikara. Mihena isan-taona ny velaran'ny faritra azon'izy ireo anjonoana...
♦ Mankalaza ny faha-125 taonany ny ECAR Masina Maria Mpanampy ao Soanierana. Tamin'ny alalan'ny Sorona Masina no nanombohana izany omaly niaraka tamin'ny fankalazana ny fetin'ny Fiangonana... ♦ Tsy tapaka ny fifandraisana ara-diplômasia eo amin'i Madagasikara sy Comores hoy ny Ministry ny raharaham-bahiny Malagasy ny faran'ny herinandro teo. Misokatra ho an'i Comores ny sisin-dranomasin'i Madagasiraka rehefa miverina amin'ny laoniny ny toe-draharaha momba ny fahasalamana... ♦ Mitohy hatrany ny fahatapahan'ny herin'aratra nandritra ny faran'ny herinandro teo. Voahitsakitsaka ny andininy faha-21 amin'ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon'ny olombelona hoy ny mpiaro ny zon'olombelona...
Rehefa amin'ny famaranana ny fankalazana ny Eokaristia "Lamesa" dia ilazàna isika hoe "Hitantana ny diantsika anie i Kristy" izany hoe aoka hialoha lalana amin'izay ataontsika rehetra, amin'ny fiainantsika i Kristy ka mitohy amin'ny fiainana na koa hoentina amin'ny fiainana andavanandro izay natrehana teo, ka entina mody izay azontsika. Ny vavaka dia fifampiresahana amin'Andriamanitra, resaka ifanaovan'ny mpifankatia : olombelona sy Andriamanitra... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.
Ny tombontsoa sy fahasoavana azo avy amin'ny litorjia dia tsy vahiny sy tsy manavao satria mitovy avokoa ny eran-tany na ny foto-kevitra, ny vavaka, ny vaki-teny. Afaka miombona foana ary afaka mandray anjara mandrakariva. Tsy miova fa anaty rafitra maharitra. Afaka mivavaka foana na aiza na aiza, na rahoviana. Santatry ny litorjia an-danitra mandrakizay ny litorjia eto an-tany... Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Taratasy Fahatelon’i Masindahy Joany Apôstôly (3 Jo. and. 5-8)
Ry malala, tsara tokoa ny ataonao rehetra amin’ny rahalahy,
fa indrindra amin’ireo vahiny;
ka nambaran’izy ireo teo anatrehan’ny Eglizy ny fitiavanao namana.
Ary tsara raha mamatsy azy araka ny mendrika an’Andriamanitra ianao,
amin’ny fandehanan’izy ireo;
fa ho voninahitry ny Anarany no nandehanan’izy ireo,
ka tsy nandray na inona na inona tamin’ny jentily izy.
Tsy maintsy manohana ny olona toa ireny isika,
mba ho mpiara-miasa aminy amin’ny fahamarinana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 111, 1-2. 3-4. 5-6
Sambatra ny olona matahotra ny Tompo,
sy mankasitraka fatratra ny didiny!
Ny taranany hahery eto an-tany;
ny taranjan’ny olo-marina tahìna.
Fananana sy harena no ao an-tranony;
ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
Ny olo-marina tsilovina raha maizina:
dia ireo izay mangoraka sy antra.
Ny tsara fanahy mahery mampisambotra;
ny lalany voalamina araka ny rariny;
tsia, tsy hirona izy mandrakizay!
ny anaran’ny olo-marina ho mandrakizay.
Aleloia. Aleloia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo; ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 1-8)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany
momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy:
“Tany amin’ny tanàna anankiray
nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona.
Ary tao amin’izany tanàna izany koa,
dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe:
‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’;
fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy.
Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo:
‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona,
dia manahirana ahy ity mpitondratena ity,
ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’
Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina,
ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny
izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy?
Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo.
Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona,
moa mba hahita finoana ety ambonin’ny tany Izy?”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny hateloana 31 oktobra, 1-2 novambra dia nanana ny lanjany teo amin'ny tantaran'ny fanompoan-tsapy tany Irlande, izay niendrika fety. Tany Rôma kosa dia 23-24-25 desambra no nisy ny fankalazàna. Ny Fiangonana dia miady amin'ny ratsy rehetra, izay mila heri-po. Ny fanamarihana ny "halloween" dia mitovy lenta amin'ny famosaviana, mifanohitra amin'ny maha kristianina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Taratasy Faharoan’i Masindahy Joany Apôstôly (2 Jo. and. 4-9)
Faly dia faly aho, fa nahita ny zanakao sasany mandeha amin’ny fahamarinana,
araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Ary ankehitriny, mihanta aminao aho, tompokovavy,
— tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany —
aoka hifankatia isika.
Ny fitiavana dia izao:
ny mandeha araka ny didiny;
ary ny didiny araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao:
ny mandeha amin’ny fitiavana.
Fa maro no efa mitsangana ho mpamitaka amin’izao tontolo izao,
izay tsy manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo i Jesoa Kristy;
ireny no mpamitaka sy antikristy.
Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay,
fa mba handray valisoa tanteraka ianareo.
Izay rehetra tafahoatra fa tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy
dia tsy manana an’Andriamanitra;
fa izay mitoetra ao amin’ny fampianarana no manana ny Ray sy ny Zanaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 1-2. 10-11. 17-18
Sambatra izay madio famindra,
fa mizotra amin’ny lalan’ny Tompo!
Sambatra izay mitandrina ny fanambaràny,
sy mitady azy amin’ny fony tontolo!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao!
Raketiko ato am-poko ny didinao,
mba tsy hanotako aminao.
Asio soa ity izaho mpanomponao;
ka ho velona sy hitandrina ny teninao!
Alao tampina ny masoko hibanjina
ny zava-mahagaga amin’ny lalànao.
Aleloia. Aletoia.
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 26-37)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona:
nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra.
Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta:
nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano;
fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa,
nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra.
Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.Amin’izany andro izany,
izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony;
toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany.
Tsarovy ny vadin’i Lôta!
Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy.
Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany,
amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela;
amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela;
ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela.”
Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe:
“Ho aiza Tompoko?”
Ary hoy Izy taminy:
“Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Tsy azo lavina ny fisian'ny olana momba ny resaka volamena eo amin'ny mpitondra ankehitriny sy ny firenena kômôriana hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Natomboka tamin'ity herinandro ity ny fanombohana ôfisialy ny fanavaozana ny raki-tsarim-paritra ho fanajariana ny tany ao amin'ny Faritra Anôsy... ♦ Mitombo isa ireo Malagasy liana amin'ny fampiasana angovo azo havaozina manoloana ny olan'ny herinaratra ankehitriny... ♦ Nanambara i Etazonia fa misy ireo miaramila kôreana tavaratra miray tendro amin'i Rosia ankehitriny...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Filemôna (Filem. 7-20)
Ry malala, mameno hafaliana amam-panalana alahelo ahy ny fitiavanao,
noho ianao efa namelombelona ny fon’ny olona masina.
Koa amin’izany na dia azoko atao aza ny mandidy anao ao amin’i Kristy amin’izay tokony hataonao,
dia aleoko miangavy aminao noho ny fitiavana.
Hitanao izaho Paoly efa antitra sady mpifatotr’i Kristy koa ankehitriny;
dia mifona aminao ho an’i Onesimo zanako naterako teto am-patorana,
izay tsy nahasoa anao loatra fahiny, fa mahasoa antsika tokoa ankehitriny,
dia ianao sy izaho.
Ampodiko aty aminao izy, ilay sombin’ny aiko.
Nikasa hihazona azy taty amiko aho, mba hanompo ahy ho solonao,
eto amin’ny fifatorako noho ny amin’ny Evanjely;
saingy naleoko tsy nanao na inona na inona raha tsy teny ierana aminao,
mba tsy ho an-tery setra ny asa soanao, fa ho an-tsitrapo tokoa.
Angamba koa i Onesimo no niala vetivety teto aminao,
dia ny mba hanananao azy mandrakizay, tsy toy ny mpanompo intsony,
fa mihoatra ny mpanompo, dia tahaka ny rahalahy malala,
ho ahy indrindra ary mainka fa ho anao, na araka ny nofo na araka ny Tompo.
Koa raha ataonao ho namanao tokoa aho, dia raiso tahaka ny tenako izy;
ary raha nanao ny tsy marina taminao izy, na nitrosa taminao,
dia ataovy ho trosako aminao izany.
Izaho Paoly no manoratra ity amin’ny tanako, izaho no hanefa izany,
mba tsy hilazako aminao fa mpitrosako ianao, ary ahy mbamin’ny tenanao aza.
Eny, ry rahalahy, aoka hifaliako ao amin’ny Tompo ianao,
ka velombelomy ao amin’i Kristy ny foko.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10
Tompo nanao ny lanitra sy ny tany,
sy manome rariny ny ampahoriana!
Ilay mamahana ny noana,
Tompo mamaha ny mpifatotra.
Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitraka ny miondrika,
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ireo mpitondratena.
Tompo tia ny olo-marina,
fa mampiviona kosa ny olon-dratsy;
Tompo manjaka mandrakizay:
dia ny Andriamanitrao, ry Siôna, amin’ny taona mifandimby.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra,
ka namaly hoe:
“Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra,
ary tsy hataon’ny olona hoe: Indro aty na ary izy;
fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra.”
Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany:
“Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona,
fa tsy hahita ianareo.
Hilazan’ny olona ianareo fa hoe:
Indro ery, na indro ety;
nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory.
Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra
hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa,
dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona amin’ny androny.
Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin’ity taranaka ity.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco