Ny vavaka maharitra araka ny Baiboly dia azo faritana ho vavaka mitohy sy maharitra, izay tsy mihozongozona na eo aza ny zava-tsarotra. Ny vavaka maharitra dia fampiharana ny finoana izay ahitana fifikirana tsy tapaka, fitokiana an'Andriamanitra, ary fahatapahan-kevitra hanohy hivavaka.... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

14 nôvambra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 20-25)

  • Mitaky ny mangarahara amin'ny zo ananan'ny olom-pirenena hahazo vaovao sy hiady hevitra momba ny volavolan-dalàna hifehy ny tetibolam-panjakana 2025, ny CCOC...
  • Mety hisy andro ratsy hiforona any afovoan'ny Ranomasimbe Indiana amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vinavinan'ny Météo...
  • Tsy afa-misaraka fa mifameno ny fanabeazana sy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ho an'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco...

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

13 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)

♦ Tsy hanakana ny fizoran'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM, raha nanao fanambarana. Havadika ho lalana hiarovana ny firenena izany hoy izy ireo... ♦ Mitaky ny hamerenana ny vola nesorina tamin'ny tambin-karamany hividianana 4x4 ireo solombavambahoaka sasany. Nampiaka-peo momba io resaka io Andriamatoa Pety Rakotoniaina, avy amin'ny Distrika Ikalamavony... ♦ Mametra-panontaniana amin'ny fitondràna ny Randrana Sendikaly, manoloana ny filazàna fa tsara tantana ny CNaPs ankehitriny. Efa tafaverina ve ireo volan'ny mpiasa nampindramina tao, ho ity vondrona sendikà ity?... ♦ Nitrangàna horohoron-tany in-droa misesy tany amin'ny faritra atsimon'i Cuba omaly...

♦ Nofaranana omaly ny fankalazàna ny jobily faha-50 taona niorenan'ny Ekipa "Ankalazao ny Tompo"...  ♦ Tsy hisy intsony ny delestazy eto Antananarivo afaka herintaona. Nanazava ny zava-misy sy nitondra ireo vahaolana hamahàna izany ny filoham-pirenena omaly, tao amin'ny haino aman-jerim-panjakàna...  ♦  Polisy miisa 4 eo anivon'ny FIP namita iraka no notazomin'ny fokonolona ankeriny tany amin'ny distrikan'i Sakaraha. Nisy olona roa maty, vokatry ny fifandonana tamin'ity raharaha ity... ♦  Olona 30 farafahakeliny no namoy ny ainy tatsy Mozambika, vokatry ny savorovoro nateraky ny famoahana voka-pifidianana. Raikitra ny fihetseham-bahoaka hanoherana izany...

Ny vavaka dia ilaina amin'ny fiainana ara-panahy satria tsy misy fitomboana raha tsy misy sakafo, ary ny vavaka no sakafo tena ilaina amin'ny fiainana ara-panahy. Tsy fononteny eo amin'ny fiainantsika andavanandro ny vavaka fa tokony ho fototra iorenany ka izay no tsy maintsy haharitra, manaraka ny toro-hevitr'i Jesoa hoe : mivavaha ka aza mitsahatra. Mba hivavahana tsara dia fepetra fototra ny fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka maharitra, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 11, 4-12)

Nampijaly ny mponina tetý ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.

Izao no nambara tamiko, izaho Joany:

Indreo misy vavolombelona roa; izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa,
izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany.
Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo,
dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony,
ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy.
Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo
mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany;
sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy,
ka mahova azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy.
Ary rahefa vita ny fanambaràn’izy ireo,
dia hiady amin’ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa,
ka haharesy azy sy hahafaty azy;
ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe
izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta,
eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana.
Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana
no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan’andro sy tapany,
fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo.
Hifaly ny mponina etý ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo,
hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo,
fa nampijaly ny mponina tetý an-tany ireo mpaminany roa ireo.

Nony afaka hateloana sy tapany anefa,
dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo,
ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy.
Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe:

“Miakara atý.”

Dia niakatra any an-danitra tao anatin’ny rahona,
sy teo anatrehan’ny fahavalony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10

Hisaorana anie ny Tompo vatolampiko.

Isaorana
ny Tompo vatolampiko,
Ilay nampianatra ny tanako hamely,
ny sandriko hiady!

Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy,
fiarovana-avo ho ahy sy Mpanafaka ahy.
Ilay ampinga sy aroko,
mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!

Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao!
Valiha tory folo no iantsàko Anao!
Ianao Ilay manome fandresena ny Mpanjaka,
sy manafaka an’i Davida mpanomponao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina,
izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe:
Raha misy lehilahy manambady ka maty momba,
dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba.
Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa.
Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo,
ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo.
Farany, dia maty koa ravehivavy.
Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty?
fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina;
fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa,
dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy,
fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra,
satria zanaky ny fitsanganan-ko velona.
Ary raha ny hoe hitsangana ny maty,
dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany,
fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe:
‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’
Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo,
satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe:

“Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.”

Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 10, 8-11)

Noraisiko ny boky dia nateliko.

Izaho Joany dia nandre feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Mandehana alao ny boky kely mivelatra eny an-tanan’ilay anjely
mitsangana eo ambonin’ny ranomasina sy ny tany.”

Dia nankany amin’ilay anjely aho sy nilaza taminy hanome ahy ny boky,
ka hoy ny navaliny ahy:

“Raiso ka atelemo izy; hangidy izy ao an-kibonao,
nefa ho mamy toy ny tantely eo am-bavanao.”

Noraisiko ny boky teny an-tanan’itý anjely, dia nateliko avokoa,
ka mamy toy ny tantely izy tao am-bavako,
fa nony nateliko kosa, dia tsaroako nangidy tao an-kiboko.
Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe:

“Olona maro sy firenena maro sy fiteny samihafa ary mpanjaka maro koa
no tsy maintsy mbola haminanianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 118, 14 sy 24. 72 sy 103. 111 sy 131

Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao.

Ny lalan’ny fanambarànao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Ny fanambarànao no firavoako;
ny fitsipikao no filàko saina.

Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny vavanao,
mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo!
Endrey! mamin’ny lanilaniko ny didinao,
ary tsara amin’ny vavako manoatra ny tantely!

Ny fanambarànao no lovako, ry Ilay Mandrakizay:
Izy no fifalifalian’ny foko!
Misokatra ny vavako; miemponempona aho;
ny baikonao no mahaliana ahy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany.

Aleioia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Ataonareo zohin’ny mpangalatra ny tranon’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, niditra tao an-tempoly i Jesoa,
dia nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao, ka nanao taminy hoe:

“Efa voasoratra, fa ny tranoko dia trano fivavahana,
nefa ianareo kosa nanao azy ho zohin’ny mpangalatra.”

Dia nampianatra isan’andro tao an-tempoly Izy;
fa ny lehiben’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona kosa
nitady hahafaty Azy;
nefa tsy hitan’izy ireo izay hevitra hoenti-manao izany,
satria faly sy ravo nihaino Azy ny vahoaka rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 5, 1-10)

Voavono ny Zanak’ondry ka ny Rany no nanavotany antsika.

Izaho Joany dia nahita teny an-tanana ankavanan’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
boky voasoratra tao anatiny sy teo ivelany, voaisy tombokase fito.
Dia indro, nisy anjely mahery anankiray niantso tamin’ny feo mafy hoe:

“Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny?”

Ary tsy nisy, na tany an-danitra, na tetý an-tany, na tany ambanin’ny tany,
nahasokatra sy nahajery azy akory.
Koa nitomany mafy aho, fa tsy hita izay mendrika hanokatra ny boky sy hijery azy.
Dia hoy ny anankiray tamin’ny Anti-dahy tamiko:

“Aza mitomany, fa indro, efa nandresy ny Liona avy amin’ny fokon’i Jodà ny solofon’i Davida,
ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito.”

Ary hitako, fa indro, teo afovoan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra,
sy teo afovoan’ireo Anti-dahy, dia nisy Zanak’ondry nitsangana,
tahaka ny voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito,
dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra nirahina any amin’ny tany rehetra.
Dia tonga Izy ka nandray ny boky teny an-tanan’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana.
Nony nandray ny boky Izy,
dia niankohoka teo anoloan’ny Zanak’ondry ny Zava-manana aina efatra sy ny Anti-dahy efatra amby roapolo,
izay samy nanana lokanga sy lovia volamena feno zava-manitra,
dia ny fivavahan’ny olo-masina izany.
Ary nanao hira vaovao izy ireo nanao hoe:

“Ianao no mendrika handray ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny.
Fa voavono Ianao, ka ny Ranao no nanavotanao ho an’Andriamanitra ny fokom-pirenena rehetra sy ny samihafa fiteny,
mbamin’ny fanjakana sy ny firenena rehetra.
Nataonao fanjakana mpisorona ho an’Andriamanitra izy ireo, ka manjaka etý ambonin’ny tany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b

Nataonao fanjakan’Andriamanitray sy mpisorona izahay.

Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-Piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.

Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!

Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba
ho fankalazana an’Andriamanitra:
izany no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 41-44)

Raha mba nahalala izay hampiadana anao manko ianao.

Tamin’izany andro izany,
nony mby akaiky an’i Jerosalema i Jesoa dia nitomany azy nanao hoe:

“Raha izay kosa manko ianao no mba nahalala izay hampiadana anao,
na dia amin’itý andro nomena anao itý ihany aza!
Fa takona ny masonao izany ankehitriny.
Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao;
hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,
ary hofongorany hatramin’ny tany mbamin’ny zanakao eo anatinao
ka tsy havelany hisy vato mifanongoa eo aminao,
satria tsy nahalala ny andro namangiana anao ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mahavita fahagagana ny vavaka, manampy antsika hitia ny hafa ny vavaka. Ny mivavaka ao anatin'ireo fisehoan-javatra isan'andro sy isaky ny mihetsika dia iray amin'ireo zava-miafin'ny Fanjakàn'Andriamanitra. Ny endriky ny vavaka rehetra no mety ho lalivay ampitahana ny Fanjakan'Andriamanitra ; mivavaha ho an'ny fahavalonareo, tsy ny havana na izay tiana ihany no hanandratana vavaka... Katesizy momba ny "mivavaka amin'ny fiainana andavanandro", iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...