• Hosoniavina rahampitso ny tondrozotra takian'ny SADC sy ny Vondrona Afrikana amin'ny mpitondra malagasy, mialoha ny faran'ny volana febroary. Tsy isan'ny handray anjara amin'ny fikaonan-doham-pirenena, ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Natolotra androany ny tondrozotra sy ny drafitra fampiasam-bola momba ny fiompiana ho an'ny taona 2026 sy 2030. Tamin'ny alalan'ny atrikasa teny amin'ny Carlton Anosy no nanehoana izany... • Tokony hatao laharam-pahamehana, hoy i Dokotera Hugues Rajaonson, mpahay toekarena sady mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo, amin'izao fanavaozana izao. Tajona apetraka ny fitomboan'ny harin-karena mihoatra ny 10 %...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...