♦ Niantso ny fitondram-panjakàna hijery tsara ny momba ireo fifanarahana atao miaraka amin'ireo firenena hafa avy any ivelany ny vaomieran'ny Eveka momba ny rariny sy ny fiadanana (Justice et paix) eto Madagasikara... ♦ Ampy ny famokara herinaratra sy rano eo anivon'ny Orinasa JIRAMA amin'izao fa ny fitsinjaràna no misy olana hoy ny Jeneraly Hajatiana Rasolomanana, Tale Jeneralin'ny orinasa, nandritra ny fidinana ifotony nataony teny Mandroseza ny faran'ny herinandro teo... ♦ Andrasana ny fivoahan'ny tetiandrom-panadinam-panjakàna vaovao rehefa niteraka resabe ny tetiandro nanemotra ireo fanadinana ho amin'ny volana jolay navoakan'ny Ministera...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...