♦ Hotanterahina eny amin'ny Katedraly Andohalo, ny Alakamisy Masina 09 aprily 2020, tsy atrehan'ny kristianina, ny fanamasinana menaka masina ho an'ny arsidiôsezi'Antananarivo... ♦ Olona vaovao dimy indray no voatily hatramin'ny androany antoandro, fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara...

Sabotsy 11 aprily 2020 — Sabotsy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 1-10.

Zoma 10 aprily 2020 — Zoma Masina — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1-40 ; 19, 1-42 — Nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

♦ Tonga soa aman-tsara tany Mahajanga ireo mpandeha avy eto Antananarivo nihazo ny renivohitr'i Boeny nandeha tamin'ny zotram-pitaterana nasionaly... ♦ Nanolotra fitaovana ho an'ireo hôpitaly lehibe ao an-drenivohitra sy ny manodidina ary ny any Toamasina ny PNUD mba hiarovana ireo mpiasan'ny fahasalamana tsy hifindran'ny tsimok'aretina Coronavirus...

♦ Tsy mitsaha-mitombo ireo olona voaporofo fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. 88 ny isan'izy ireo araka ny tarehimarika ofisialy... Manao antso avo amin'ny mponina ao an-drenivohitra sy ny manodidina ny Filohan'ny FFKM, Dokotera Rakotoniriana David, mba hanaja ny fepetra tsy hiparitahan'ny tsimok'aretina...

♦ Niampy 6 indray tato anatin'ny 24 ora ireo olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara. 88 izany ny fitambaran'izy ireo ary 7 kosa ireo efa sitrana soa aman-tsara... ♦ Mbola tsy any amin'ny fampidirana vaksiny mihitsy aloha i Madagsika amin'izao fotoana izao, amin'ny ady amin'ny tsimok'aretina Coronavirus...

♦ Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny fahasalamana. Mankahery ny mpiasan'ny fahasalamana rehetra maneran-tany ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana... ♦ Tsy maintsy apetraka amin'ny toerana voatokana sy voahara-maso avokoa ireo mpandeha ivelan'ny faritra tonga any Boeny...

08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.

Alakamisy 09 aprily 2020 — Alakamisy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15 — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao : Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankativanareo.

♦ Olona folo vaovao indray no voaporofon'ny Institut Pasteur androany fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19. Tsy voahaja anefa amin'ny ankapobeny ireo toromarika tokony arahana amin'izao fihibohana izao... ♦ Anatin'ny Herinandro Masina isika amin'izao fotoana izao, hoy ny HFKF na ny Hetsika Fampiraisana ny Kristianina ho an'ny Firenena, izay nanao hetsika manokana nanomboka ny alahady 29 marsa hatramin'ny alahadin'ny Paka...

Alarobia 08 aprily 2020 — Alarobia Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 26, 14-25 — Arahaba, ry Mpanjakanay, Ianao irery no niantra anay tamin'ny hadisoanay.

♦ Nanomboka omaly alahady ny Herinandro Masina ary mbola mikatona noho ny Coronavirus ireo trano fivavahana rehetra manerana an'i Madagasikara. Nahazo ampaham-potoana isaky ny amin'ny 5 ora hariva, nanomboka omaly alahadin'ny Sampankazo, ao amin'ny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM ny FFKM... ♦ Mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra an'i Rahelisoa Arphine ny biraon'ny Holafitry ny manao gazety...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...