Alakamisy 09 aprily 2020 — Alakamisy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 1-15 — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo, dia izao : Mifankatiava ianareo, ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankativanareo.

0 : 00

Alakamisy Masina ny andro. Manomboka eto ny hateloanandro lehibe hiomanantsika mianakavy hankalaza ny fetin'ny Paka, iombonana amin'ny Fiangonana manontolo. Raha ny Vaovao Mahafaly aroson'ny Fiangonana amintsika androany dia zavatra roa lehibe misongadina no ifampizarana amintsika mianakavy. Eo aloha voalohany, i Jesoa nanasa ny tongotry ny mpianany, ary ny faharoa tao aorian'izay dia i Jesoa nanorina ny Sakramentan'ny Eokaristia izay sakafom-panahy ho antsika olombelona.

Ny nanasan'i Jesoa ny tongotry ny mpianany dia ohatra lehibe ho azy ireo, fa tokony hifanompo isika olombelona. Nanome ohatra izy, fa izay lehibe indrindra, no tokony ho mpanompon'ny olona rehetra. Endriky ny fifanampiana izay eo amin'ny fiainana satria tsy misy mahavita tena na ny iray aza. Tsaroantsika tsara, angamba, ny tenin'ny papa Ray masina François tamin'izy vao voafidy ho filohan'ny Fiangonana Katôlika, tamin'ny 13 marsa 2013, nanambara manao hoe : "Ny tena fahefana dia ny fanompoana". Ilaina tokoa ny mifanompo eo amin'ny fiainana, ary i Kristy efa nisantatra izany ho antsika olombelona, izay no lalana iray ahafahantsika mizotra mankany an-danitra amin'ity fiainana mandalo ity.

Ny faharoa dia ilay nanorenan'i Jesoa ny Sakramentan'ny Eokaristia, ilay sakafo farany niarahany tamin'ireo mpianany. Sakafo mitam-pihavanana, sakafon'ny mpivahiny, manambara fa vatsy ho an'ny fiainana mandrakizay, satria Izy Kirsty no nanorina izany dia mba tsy ho reraka eny an-dalana isika, ary mba tsy ho lany vatsy ihany koa mamakivaky ny fiainana.

Enga anie, ny fiainantsika andavan'andro, mba tena hiainantsika sy hampiharantsika ny tenin'Andriamanitra izay aroson'ny Fiangonana amintsika. Ary ny zavatra rehetra izay ataontsikia dia hanehoantsika ny toetran'i Kristy, ilay fototry ny fiainantsika. Indray hariva izay, ry Jesoa Tompo ô, nanolo-tena Ianao ho fitiavana anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...