08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.

Ny fianarana katesizy no tena nanintona azy ka vao valo taona monja izy dia efa nampianatra izany tamin'ireo namany niara-nilalao taminy. Teo amin'ny faha-9 taonany izy dia efa neken'ny pretra mpitantana ny paroasiny handray ny Kômonio voalohany, tao Cuvilly, izay tsy dia fanao loatra tamin'izany fotoana izany. Nandalo fotoan-tsarotra anefa ny fiainan'i Julie, satria rehefa nikorosy fahana ny trano fivarotan'ny ray aman-dreniny dia voatery niasa nankany ambanivohira izy ireo, ary tany izy noho ny hetraketraky ny ratsy fanahy ihany koa, dia lasibatra tamin'izany ka nalemy tsy afa-nitsangana.

Nandritra ny fotoanan'ny "Terreur" tao France, izany ny septambra 1793 ka hatramin'ny jolay 1794 fotoanan'ny revolisiona, dia nijaly fatratra tamin'ny fanenjehana kristianina izy ary tamin'izay no nahafantaran'i an'i Françoise. Mpinamana tsy nifankafoy izy ireo ary naniry ny hanabe ny zaza sy ny ankizy amin'ny fomba kristianina. Nefa araka ny efa fantantsika fa i Julie dia nalemy tsy afa-nitsangana. Efa 46 taona izy tamin'izany. Ny febroary 1803 àry, natombok'izy roa ireto ny fanorenana ny asa izay noheveriny ary nataony tao Amiens.

Nanolo-tena ho an'Andriamanitra tanteraka i Julie, niaraka tamin'ireo namany roa, ary efa-bolana tao aorian'izay dia sitrana tampoka izy, tsy fantatra hoe ahoana. Olona efa tsy afaka nadeha nandritra ny 22 taona nefa afaka nitsangana indray, ary tamin'izay no nakan'izy ireo ny anarana hoe Sœurs de Notre-Dame. Nasain'ny eveka tao Gand nanorina trano iray ho an'ny diosezy i Julie, io no nanombohany ny fananganana izay tsy nijanona teo fa nitohy hatrany nanerana an'i Belgique sy France, ary tsy nahitany olana mihitsy ny fanaovana izany asa izany. Rehefa maty izy ny taona 1816 dia i Françoise Blin no nitantanana ny fikambanana ary niely nanerana ny tany, tamin'ny taonjato faha-19, ny asan'izy ireo sy ny fikambanany ihany koa.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...