Sabotsy 11 aprily 2020 — Sabotsy Masina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 1-10.

0 : 00

Ilay fiombonam-bavaka amin'ny Sabotsy Masina hariva, ilay lazain'ny Fiangonana hoe alina masina indrindra, alina tomaratra soa. Mizaratra efatra ny fizotran'ny vavaka izay iombonantsika amin'ny Fiangonana manontolo anio, ankalazantsika voalohany an'i Jesoa Kristy fahazavana, satria amin'ny alalan'ny fahazvana tokoa no iampitan'ilay jiron'ny Paka, ary izay jiron'ny Paka izay indrindra no manazava ny olona rehetra, manilo ny Fiangonana, mba ho fahazavana manjopiaka isantarantsika ilay fiainana any aoriana.

Aorian'izay dia fizarana faharoa, i Kristy Tenin'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'ny teny tokoa Andriamanitra no nanatanteraka an-tsakany sy an-davany, ilay fampanantenana izay noteneniny tamin'ny vahoakany. Ary tamin'ny alalan'ny tenin'Andriamanitra, ireo mpianany no afaka nampita ny finoana tamin'ny Fiangonana.

Ny fahatelo dia, i Kristy ilay Rano velona izay rano hamasinina hanaovana batemy, hahatonga ho zanak'Andriamanitra ary irosoana amin'ny maha-kristianina. Ary ny farany dia i Jesoa Mofon'Aina, ilay sakramenta naorin'i Kristy tamin'ny Alakamisy Masina, ho vatsy ho an'ny mpivahiny mamakivaky ny fiainana.

Raha izao fizotran'ny litorjia amin'izao Sabotsy Masina izao indrindra àry, dia efa famintinana ny fiainantsika mianakavy ao amin'ny Fiangonana, satria isika tsy kamboty akory, fa eo Andriamanitra mba hanohana ary hanome izay rehetra ilaintsika amin'ity fiainana mandalo ity. Enga anie ry Jesoa, ny fandresenao ny fahafatesana, hitondra hafaliana mateza ao anatinay ao. Ary enga anie izahay hizara ny hafalianay amin'ny olombelona rehetra, ahafahanay mazoto mamonjy ny Fiangonana, mba ahafahanay mandresy ihany koa amin'ny zavatra rehetra izay ataonay eo amin'ny fiainanay miaraka aminao. Ry Fo Masin'i Jesoa, matoky Anao izahay !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...