Zoma 10 aprily 2020 — Zoma Masina — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany 18, 1-40 ; 19, 1-42 — Nanolo-tena hanaiky hatramin'ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin'ny Hazofijaliana. Ho valin'izany kosa, dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

0 : 00

Andro lehibe androany, satria nahataperan'ny ain'i Jesoa Andriamanitra. Isika mianakavy dia manaporofo ilay fitiavan'i Jesoa nanolorany ny tenany teo ambony hazofijaliana. Tsy mba angano, na arira no nifampizaran'ny Fiangonana amintsika mianakavy, fa Izy Andriamanitra mihitsy no nahafoy ny ainy noho ny fitiavany antsika. Tanteraka ny zavatra rehetra, hoy Izy, dia nanondrika ny lohany izy.

Ho ahy, ho anao no antony nifantsihan'i Jesoa Kristy teo ambony hazofijaliana noho ny fitiavany, noho ny hamoram-pony. Isika matetika eny amin'ny fiainantsika andavanandro, rehefa sendra ny zavatra manahirana, na tojo ny zavatra sarotra dia mimenomenona ary indraindray àry toa manome tsiny an'Andriamanitra, toa tsy mahazaka ilay mba anjara hazofijaliantsika.

Alao hery àry, akambano amin'ny hazofijalian'i Kristy ny hazofijaliantsika tsirairay avy dia ho maivana satria ny entan-jaray mora zaka ary ny fiainantsika miaraka amin'izy Andriamanitra Ray dia tsy maintsy misy vahaolana mandrakariva raha sendra ny olana saro-bahana isika tsirairay avy. Ampio izahay, ry Jesoa, mba hatoky ilay fitiavanao. Ary enga anie izahay, mba hahazaka ny anjara hazofijalianay eo amin'ny fiainanay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...