Alakamisy 25 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29 — Ny Tenin'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay ; ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorîna taminareo.

Alarobia 24 jona 2020 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80 — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin'ny Avo indrindra : handeha eo anoloan'ny Tompo hanamboatra ny lalany.

Talata 23 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.

Alatsinainy 22 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.

17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.

Alahady 21 jona 2020 — Alahady faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 26-33 — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

17 jolay — I Masimbavy Marcelline dia anabavin’i Masindahy Ambroise, eveka tao Milan. Préfet du tribunal des Gaules ny rain’izy ireo. Ny papa Libère no nanolotra an’i Marcelline ny voaly maha relijiozy tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre tao Vatican.

Sabotsy 20 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.

♦ Efa tafiditra any anivon'ny fonja ny tsimok'aretina Coronavirus ankehitriny. Voafonja 42 no voamarina ho mararin'ny Covid-19... ♦ Andro iray ihany fa tsy roa andro araka ny voalaza tany aloha ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE... ♦ Azo vokarina sy amidy malalaka eto amintsika tsy ho ela ny toaka gasy...

♦ Niampy roa indray ny olona matin'ny Covid-19 eto Madagasikara, araka ny tarehimarika navoakan'ny CCO omaly... ♦ Nahazo fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny tetik'asa Sahofika izay hitrandrahan'ny vondrona Neho herinaratra amin'ny alalan'ny rian-drano... ♦ Mbola mijanona ho honohono aloha ny famindrana ny tetik'asa Tanamasoandro ho eny Imerintsiatosika...

♦ Nisy olona rao namoy ny ainy indray teto Madagasikara, vokatry ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nahitana tranga Coronavirus ny tany amin'ny faritra Ihorombe, tany amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ankily, 3 km miala an'Ihosy renivohitry ny faritra... ♦ CEPE blanc : Nizotra tao anatin'ny filaminana ary nanaja ny fepetra ara-pahasalamana ireo sekoly...

Miha mahazo vahana any LIBAN ankehitriny ny krizy arat-toekarena sy ara-politika.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...