Alarobia 24 jona 2020 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80 — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin'ny Avo indrindra : handeha eo anoloan'ny Tompo hanamboatra ny lalany.

{mp3}20200624-evanjely{mp3}

Tsy hoe ny fahatongavan’i Joany Batista teto an-tany akory no tiana hisongadina, amin’izao fankalazana ny nahaterahany izao, araka ny Evanjely nambara tamintsika teo, fa ny fifidianan’Andriamanitra azy manokana teo amin’ny tantaram-pamonjena, hahalalan’ny maro an’ilay Mpamonjy nirahiny teto amin’izao tontolo izao.

Hafa indrindra amin’izay natera-behivavy i Joany, satria ny fanambarana ny nahaterahany dia toa mistery eo imasontsika olombelona, ireo Ray aman-dReny niteraka azy efa zoky olona fa noho ny finoana sy ny fitokisan’izy ireo an’Andriamanitra dia tera-dahy. Maneho amintsika fa asan’Andriamanitra no nahazoana an’i Joany Batista, fampanantenany tamin’ireo natoky Azy ary tsy nivadika Taminy na ovina na ovina. Andriamanitra irery ihany no mahatanteraka izay nampanantenainy, koa tokony hatoky an’izany isika.

Faharoa, manokana momba an’i Joany ny fanomezana anarana araka ny tenin’ny Anjely tamin’i Zakaria, dia maneho fa Andriamanitra no momba sy mifidy ary maniraka azy hisava ny lalana handehanan’ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao ; ka nahatonga azy nanoman-tena sy tsy nisatry fanahy nanantanteraka izany.

Toetra tahafintsika amin’i Joany àry ny hanararaotra ny fotoana sy ny toerana hihaonana amin’Andriamanitra ka hifandray lalina Aminy mba hahalalantsika ny sitrapony ka hanantanterahantsika izany. Enga anie ny fahalalantsika ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra tamin’i Joany Batista hampitombo ny finoana sy ny fanantenantsika ka tsy hanadinoantsika an’Andriamanitra na ovina na oviana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...