Miha mahazo vahana any LIBAN ankehitriny ny krizy arat-toekarena sy ara-politika.

Manoloana izany indrindra no nahatonga ny Kardinaly BECHARA BOUTROS RAÏ, patriarkan’i Antioches maronites nanao antso mba hisian’ny fiaraha-mientany rehetra amin’ny fanarenana ny firenena sy nampahafantatra ny fanohanan’ny Eglizy ny mponina. Ahitana  olona an-jatony manao fihetsiketsehana isan’andro any Liban ankehitriny. Hetsika maneho ny tsy fahaiza-mitantana ny krizy ara-toekarena lalovan’io firenena io. Tamin’ny herinandro teo, ohatra dia nitotongana ny sandan’ny vola ka efa nanakaiky ny 5 arivo livres ny 1 dolara. Nivory maika nandinika izany sy nitady vahaolana ny governemanta. Nambaran’ireo manam-pahefana fa efa mihoatra ny 50% ny fiakaran’ny vidim-piainana any Liban ho an’ity taona 2020 ity. Fotoan-tsarotra no lalovan’i LIBAN ankehitriny, hoy ny Kardinaly RAÏ, ary betsaka ny tokony atao hiatrehana izany eo amin’ny sehatra politika sy ara-toekarena ary ara-bola. Mahatoky hatrany ny fitantanana sy ny fiarovan’Andriamanitra anefa, hoy izy. Nambarany fa kristianina sy silamo ireo tanora mpanao fihetsiketsehana any Liban. Tsy mifankahalala izy ireo saingy mitovy ny fitakiany, satria, samy noana sy tsy manana asa ary tsy manana ny ho aviny izy ireo.     

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...