Sabotsy 20 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
Omaly isika nankalaza manetriketrika ny Fo Masin’i Jesoa, fa amin’ity anio ity indray mahatsiaro ny Fo madion’i Maria. Samy miresaka fo izany. Ny fo entina mitia sy itiavana. Tokana ihany ny fo ao amin’ny olona iray. Ka raha izany, tokony ho tokana ihany no tiaviny fa tsy roa. Izany ataoko no isany tsy mampety ny mampirafy. Io fo io ihany koa no entina manompo ka tsy afaka manompo tompo roa isika, araka ny voalazan’i Jesoa eto, dia Andriamanitra sy ny vola. Izay tompoina tiavina mantsy, raha tena mpanompo marina. Fa ny zava-doza amin’izany dia ny fampitoviana an’Andriamanitra amin’ny vola, izay tsy mitovy velively. Hiteny angamba isika hoe : “Aiza koa izahay izay manompo vola eo ?” Kanefa ny ataontsika dia tena izany tokoa, rehefa variana mitady vola isika na diso mikatsaka harena ka hadino Andriamanitra, tsy manam-potoana ivavahana intsony, toy ny hoe : aleo manokatra tsena aloha, fa tsy ho any am-piangonana kely anio ; aleo mampiady akoho fa any izao no vola, na mikandra kely, sitrany ahay, fa any am-piangonana ny rakitra aza mbola takiana, na aleo araraotina ny andro alahady hanaovan-draharaha, sy ny sisa mitovitovy amin’izany. Tsarovy fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra, na io ananantsika io aza. Azy ny fotoana, ka raha tsy omem-boninahitra Izy na mangata-tsodrano Aminy ho enti-mitady, tsy ho voa mafy ? Omeo fotoana Izy hanomezany anao bebe kokoa. Izy no tsara omen-kasina ambony indrindra sy atao loha laharana amin’izay atao rehetra, vao mandeha mitady avy eo, raha tsy maintsy mandeha. Koa aza ampifamadihana ny rasa fa tsy kodiaran-tsarety tsy akory izy ity ka ifamadibadika fa Izy tsy maintsy ho ambony foana fa ny ankoatra Azy dia mijanona ho eo ambany fahefany avokoa.
Izany indrindra no maha be ahiahy antsika, ny amin’ny aina, hoy i Jesoa : dia izay ho hanina na ho sotroina na ny amin’ny tena dia izay ho tafiana… Tsy misy milaza hoe tsy raharahiana ireny, fa tsy ireny akory no lohalaharana raha mitaha amin’Izy Tompo satria avy Aminy ihany no nahazoana azy ireny. Zava-boaarin’Andriamanitra isika olombelona, torak’izany koa ny vorona sy ny biby ary ny zava-maniry eny an-tsaha nefa ahîn’Andriamanitra ireto farany, koa mainka fa isika : tiany, nataony zanany, dia ho avelany amin’izao fotsiny ve ? Tena ahîny isika, fa isika no tsy mandraharaha Azy ka tsy misy azony atao rehefa tonga amin’izay lafiny izay ny hadalantsika. Kely finoana isika matetika ka mitsipa-doha laka-nitàna, manipaka am-bava fo Ilay Ray nahazoantsika izao rehetra izao ka tena voa mafy matetika, mirepirepy tsy mahita izay hombana. Mazava ny tenin’i Jesoa amintsika izao manao hoe : “Aza manahy ianareo manao hoe : Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay, na inona no hotafinay ? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy”. Tsy midika izany hoe aza mitady fa izay atao rehetra, ento mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany avokoa. Hanampy antsika amin’izany ilay reny, Masina Maria, satria ny fony madio mahalala ihany koa ny ahiahintsika zanany ka tsy hamela antsika ho irery izy ! Amen.