Tapa-kevitra hamaky lalana vaovao, hamahana ny olana momba ny fifaneraserana ao aminy sy ny manodidina azy, ny kaominina ambanivohitra Antsapanimahazo distrikan’i Faratsiho faritr’i Vakinakaratra. Mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fifamezivezena sy ny famoaham-bokatra ary ny fitondrana ny marary any amin’ny toeram-pitsaboana ny mponina ao an-toerana...
• Nitana ny teny nomeny ka tonga teny Ambohijatovo ary nanao ny diabe am-pilaminana ny tanora Gen Z... • Miroso amin'ny fandaminana sy ny fanatsarana ny toerana eny Ankorondrano ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Milaza ho voadingana tsy nahafantatra ny tetikasa ny Fokontany... • Laharam-pahamehana ho an'ny Minisiteran'ny Filaminam-bahoka ny fanakaikezana hatrany ny vahoaka sy ny fanatsarana ny tolotra omena ny olom-pirenena...
Ny sakana dia zavatra na toe-javatra manelingelina ary tsy mamela anao handroso hahatratra tanjona iray. Ny tontolo vaovao dia ilay tontolo iainantsika amin'izao fotoana izao, izay ahitana toe-javatra na toe-piainana miova ka mitaky antsika hifanaraka aminy. Ny firaisankina dia fiaraha-mientana sy fifanohanana eo amin'ny olona maromaro. Manoloana ny sakana dia ilay ny firaisankina : mifampiresaka sy mifampihaino, mifanampy amin'ny zavatra atao, mifampizara andraikitra anaty fifanajàna sy fifandeferana ary fifankatiavana ; ireto farany dia fanohitra hatsara ny ho avy... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Miisa 133 ireo Salezianin'i Don Bosco miatrika fihaonamben'ny mpirahalahy ety Ivato. Eva nanomboka ny 7 aprily teo izany ary hifarana rahampitso... • Milaza hiverina an-kianja indray anio zoma, ireo tanora mivondrona ao amin'ny Gen Z. Hiainga eny Ambohijatovo izy ireo amin'ny 10 ora maraina, ary hihazo ny Kianja 13 mey... • Tsy manakana ny fifidianana izay mpanao gazety hisolo tena ny OJM ao amin'ny CENI izay hotanterahina anio, ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpanao gazety...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco