♦ Nanazava ny antony nandraisana ny Didim-panjakàna hametrahana ny hamehana ara-angovo eto Madagasikara ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'afo... ♦ Tahirim-bola Iraisam-pirenena : Ao anatin'ny fanaraha-maso ireo fepetra hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny FEC sy ny FRD, ireo iraka, ankehitriny... ♦ PNUD - Madagasikara : nanolotra fitaovana momba ny "informatique" mba hanohanana ny fanavaozana ny asam-panjakàna eto Madagasikara... ♦ Tafakatra 254 ireo olona maty, ary 837 no naratra vokatry ny fanafihan'i Israely tany Beyrouth renivohitra Libanais, omaly alarobia...
Miseho amin'ny endrika maro samihafa ny tsy finoana an'Andriamanitra : io no fositra lehibe indrindra amin'izao andro izao. Ny fihamboana tafahoatra ho olona afaka dia mitarika tsy hino an'Andriamanitra. Miseho ho zava-nianarana sy nalamina ny tsy finoana an'Andriamanitra amin'izao andro izao ka asesiny mafy ny olona haniry hizaka tena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
♦ Ao anatin'ny fanaraha-maso ireo fepetra hahafahana misitraka ny famatsiam-bola ao anatin'ny FEC sy FRD ny iraky ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena ankehitriny... ♦ Nisitraka fampitaovana momba ny "informatique" avy amin'ny PNUD entina hanohanana ny fanavaozana ny asam-panjakàna i Madagasikara... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny fanaovana vaksiny Mpox eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny solontena maharitry ny OMS eto Madagasikara, mbola latsaky ny 10.000 isa no vita vaksiny, ankehitriny... ♦ Fandresena tanteraka ho an'i Etazonia ny fampitsaharana ny ady any Moyen-Orient, mandritra ny 2 herinandro...
♦ Fikorontanana noho ny fandaminana avy amin'ireo orinasa mpaninjara solika sy ny fiakaran'ny filàn'ny mpanjifa no mahatonga ny tsy fisian'ny lasantsy amina tobin-tsolika sasatsasany amin'izao hoy ny OMH... ♦ Hihaona amin'ny MInistry ny Fahasalamam-bahoaka hiresaka momba ny olan'ny fahataran'ny pré-salaire an'izy ireo anio ny Union de Internes de Madagascar (UIM)... ♦ Tanterahina ny talata 14 avrily izao etsy amin'ny CCI Ivato ny fanokafana ny Fikaonan-doham-pirenen'ny Tanora hiarahana amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco