Maro ireo vokatsoa azo avy amin’ny saina tia karokaroka, saina liam-baovao na ny “curiosité”. Anisan’ny ampinga iray manampy ny olona iray izany mba hitombony, amin’ny maha-olona azy, hampihitatra ny fahaizany eo amin’ny sehatry ny fianarana, ny asa, ny fiaraha-monina, ny fikarohana, ny tontolo iainana ary ny fiainana ara-panahy sy ny fomba fisainana. Noho izany dia fitaovana manan-danja izy eo amin’ny maha-olona ary misy ny fitaizana sy fikolokolona azy mba ampivelatra sy ampiasaina azy tsara... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

• Mitana ny laharana faharoa ao amin'ny Vondrona I misy azy ny Barea an'i Madagasikara izay manana isa 13, tao aorian'ny andro faha-7 amin'ny fifanitsanana andehanana any amin'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2026, eo amin'ny taranja baolina kitra... • Ahiana ho very zo ireo mpifidy any amin'ireo Kaominina sasantsasany eto Madagasikara raha toa ka eken'ny Governemanta ny datin'ny 11 desambra 2025, hanatanterahana ny fifidianana Loholona... • Nametraka lamina vaovao ny Polisim-pirenen avy ao amin'ny Kaomisaria Foibe Antananarivo, mba entina mandrindra ny fifamoivoizana eny amin'ny lalam-baovao mampitohy ny rond-point Made Inox Ankasina sy ny Kianja Maki Andohatapenaka...

Abrahama dia anarana nomen'Andriamanitra, anarana tompon'andraikitra, anarana maniraka, noho ny finoany sy ny fihainoany ary ny nahatokisany tsy amim-pisalasalàna azy Andriamanitra. Abrahama dia azo adika amin'ny hoe loha-pianakaviana, raim-pianakaviana, ilay anarana tadindon'ny fampanantenana. Niditra tamin'ny tantaran'olombelona Andriamanitra mba handio azy sy hamonjy azy... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

• Mizotra any Maroc amin'izao minitra itenenana izao ny lalaon'ny Barea sy i Centrafrique, fifanintsanana Modial 2026... • Mpifidy vaventy maromaro no tsy afaka handatsa-bato amin'ny fifidianana Loholona amin'ny 11 desambra 2025. Very zo ireo olom-pirenena amin'ireo Kaominina tokony namerenana fifidianana, hoy ny KMF/CNOE... • Tanora maherin'ny arivo no voaentana amin'ny tokony hahaizana mampiasa ny teknolojian'ny fifandraisana sy ny tambajotran-tserasera, noho ny tetikasa “Mahasaky”. Nisy ny vokatra azo, hoy ny manatanteraka io tetikasa io...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...