Na sokajiana ho olon-dehibe aza ny olona iray dia azo antoka foana fa misy zavatra hafa mety tsy hananany traik'efa taminà andram-piainana. Ny olon-dehibe dia efa matotra, efa tompon'antoka amin'ny fiainany, mahaleo tena sy manana traik'efa. Tsy fanabeazana intsony no tena omena ny olon-dehibe noho ireo traik'efa efa ananany, fa tantsoroka no omena azy, izany hoe fanampiana. Ny fientanam-po dia tokony ho hay ny fitantanana azy sy ny fanahy... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Napetraka ho firenena anaty hamehana ara-angovo mandritra ny 15 andro i Madagasikara araka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra manokana notanterahina omaly talata faha 7 avrily... ♦ Dokotera Ibrahim Norbert Richard no voafidy ho sekretera Jeneraly vaovaon'ny vaomieran'ny ranomasimbe indiana taorian'ny fametraham-pialan'Andriamatoa Edgard Razafindravahy ny faran'ny herinandro teo... ♦ Miisa 6 ireo mpanao gazety kandida ho solontena ao amin'ny CENI, ny alatsinainy izao fara-fahatarany no tokony hatolotra izay ho solontenan'ny mpanao gazety eo anivon'ity kômity ity... ♦ Niverina nisokatra nanomboka androany alarobia ny détroit d'Ormuz...
Ny mampivarahontsana ny olombelona indrindra dia izy ho faty. Noresen'i Kristy anefa ny fahafatesana ka hiara-mitsangana aminy isika. Eo anoloan'ny fahafatesana no tonga amin'ny fara-tampony ny zava-tsarotra momba ny toetry ny olombelona. Fa na dia tsy mahomby aza eto ny fisaintsainana rehetra ; araka ny fampianaran'ny Eglizy dia hiafara amin'ny fahasambarana ny fahoriana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
♦ Miisa enina ireo kandida hihazakazaka hisolo tena ny mpanao gazety eny amin'ny CENI Alarobia. Hotanterahina ny zoma izao amin'ny alalan'ny SMS ny fifidianana... ♦ Mitsipaka marin-drano ny fikasan'ny fitondrana ankehitriny hanendry indray ireo lehiben'ny Fokontany ny Antoko FIVOI. Antony iray notakiana tamin'ny hetsi-bahoaka farany teo ny fanoherana izay fanendrena ny lehiben'ny Fokontany izay hoy ity antoko ity androany... ♦ Tsy bozaka no tena olana amin'ny Kianjan'i Mahamasina fa olana hafa mihitsy, hoy ny mpamakafaka baolina kitra sy mpitia io taranja io, Randriamasinoro Herinaivo (Gothlieb) Tsy vahaolana ny fanovàna ny bozaka ho synthétique...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco