♦ Higadona anio etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny Relique an'i Masindahy François d'Assise. Hitety Diôsezy maromaro izy io araka ny fandaminana... ♦ Nisokatra omaly teny amin'ny oniversite an'Antananarivo ny Doctoriales 2026, andiany faha-12. Afaka manala ny olana manahirana ny Malagasy ny fikarohana ataon'ny Malagasy hoy ireo mpikaroka... ♦ Hihamafy hatrany ny fiatraikan'ny fiovan'ny toetr'andro eran'izao tontolo izao. Isan'ny tena marefo amin'ny voka-dratsiny ny vehivavy Malagasy araka ny fanadihadiana nataon'ny AFCD... ♦ Espagne sy Argentine no hiatrika ny lalao famaranana amin'ny Mondial-2026...

• Tsy misy firenena afaka handroso raha tsy manome lanja ny asa fikarohana, hoy ny Profesora Jonah Ratsimbazafy... • Mitady ho banga, noho ny asa andavanandro, ny fanokanan'ny ray aman-dreny fotoana ho an'ny zanany, raha ny fahatsapan'ny fikambanana mitandro sy miaro ny ankizy na ny ASPE... • Ho entina amin'izao vaovao izao ny fandaharam-potoana amin'ny fahatongavan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise eto Madagasikara rahampitso...

♦ Hanomboka amin'ny herinandro ambony ny fanadihadiana Parlemantera momba ny fitantanan'ny filoha teo aloha Andry Rajoelina hoy ny Filohan'ny Antenieram-pirenena... ♦ Misy fiatraikany amin'ny fanatrarana ny fandaharam-pianarana ny famerana ny fahafahana mivezivezy eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo... ♦ Manasa ny mpanao gazety ho avy hanatrika ny fanokafana ny taom-pankalazana ny faha-160 taonan'ny Gazety Malagasy izay tanterahana ny zoma ho avy izao, hoy ny CTOJM... ♦ Miezaka amin'ny fampitambarana an'i Libye ankehitriny ireo ankolafy mpifandrafy ara-politika any an-toerana...

Ny fitohizanaina manomboka amin'ny fotoana fitsaihina ao am-bohoka hatramin'ny vanim-potoanan'ny fahatanorana sy fahanterana dia hisian'ilay hoe "tsy maty ny aina fa mihofo." Tsy safidin'ny olona ny manapaka ny fotoana hiainana ny fitohizanaina satria tsy fahefan'ny olona ny mamono ny aina. Ny vanim-potoana fahatanorana (17 taona hatramin'ny 35 taona), avy nandalo handrakandrana, efa mahita hevitra kokoa hitondrana ny fiainana samy irery na eo aza ny tari-dalana omen'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...