♦ Nametra-pialàna tsy ho Sekretera Jeneralin'ny COI intsony Atoa Edgard Razafindravahy. Tsy fantatra mazava aloha ny anton'izany. Misy ifandraisany amin'ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ve?... ♦ Tokony hofidiana ny Sefo Fokontany manomboka izao, hoy ny fanambaran'ny Kômity Miaro ny Tolona tamin'ny faran'ny herinandro teo. Mitaky ny hanalàna ireo lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo-renivohitra izy ireo... ♦ Miakatra fampanoavana amin'ity Talata ity ny Ben'ny Tanànan'ny Tsarasaotra any amin'ny Distrika Ambositra, taorian'ny fisamborana azy. Olana ara-tany hitorian'ny Diôsezin'Ambositra azy no anton'izao raharaha izao...
♦ Natokana ho andro hivavahana ho an'ny fandriam-pahalemana eran-tany ny sabotsy 11 avrily izao. Namoaka hafatra momba izany ny Papa Léon-XIV, tamin'ny alahadin'ny Paka teo... ♦ Olona 6 no niatrika fety tany am-ponja noho ny raharaha fanodikodinam-bola teo anivon'ny Fond Souverain Malagasy. Nahiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora sy Tsiafahy izy ireo... ♦ Noferan'ny Fanjakàna ny vidin-tsolika farany ambony eto Madagasikara. Mbola voatàna mitovy tamin'ny vidiny tamin'ny volana marsa teo izany, araka ny fampitam-baovaon'ny OMH... ♦ Mandrahona hamotika an'i Iran ny filoha amerikana omaly...
Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Tsapan'ny olona fa ao anatiny ao dia misy lalàm-pitondran-tena tsy maintsy arahina, dia ny feon'ny Kônsiansiny. Dodonan'io feo io lalandava izy ho tia sy hanao ny tsara ary handositra ny ratsy ; re ao anatin'ny fo ao izy milaza amin'ny fotoana mety manao hoe "ataovy ity ; ialao io ". Na mety ho diso làlana aza ny kônsiansy dia tsy very hasina velively izy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco