♦ Nidina an-dalambe nihazo ny kianjan'ny 13 mey omaly ireo tanora nanorina ny Génération Z eto Madagasikara. Nilanja sora-baventy izy ireo, mitaky fandravàna andrim-panjakàna samihafa... ♦ Naneho ny heviny moma ity hetsiky ny tanora teny an-dalambe ity ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, omaly. Nambarany fa voakaraman'ny mpanao pôlitika ireo tanora ireo... ♦ Tobin-tsolika maro teto Antananarivo sy ny manodidina no mbola tsy nahitana solika, omaly. Miantso ny hisian'ny dinika haingana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika sy ny Fanjakàna ny Mpiaro ny Zon'ny Mpanjifa (PMH)...
Ao amin'ilay Teny Tonga Nofo no miseho mazava ny Misterin'ny olombelona. Tsy tena mazava ny Misterin'ny olombelona, raha tsy dinihina anatin'ny Misterin'ny Teny Tonga Nofo. Adama voalohan'olombelona dia tandindon'ilay tsy maintsy ho avy dia i Kristy Tompo. I Kristy no ilay Olona lavorary, manavao ny fitovian'ny taranak'i Adama endrika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Nidina an-dalambe nihazo ny Kianjan'ny 13 mey androany, ireo tanora nanorina ny Génération Z eto Madagasikara. Niteniteny ny sora-baventy nolanjain'izy ireo, mitaky ny fandravana andrim-panjakana... • Naneho ny heviny momba hetsiky ny tanora teny an-dalambe ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika androany. Nambarany teny Androhibe fa voakaraman'ny mpanao politika ireo tanora ireo... • Tobin-tsolika maro eto Antananarivo no mbola nikatona androany, noho ny olan'ny famatsiana. Miantso ny hisian'ny dinika haingana eo amin'ireo kaompania mpanafatra solika sy ny fanjakana, ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombontsoa hoy ny mpitarika, Ranaivoarison Basile (Papa Bio). Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco