Ny Raozery sy Sapile : misy ny endrika efa mahazatra dia ny mistery 4, misy toko 5 avy ; fa misy koa, ohatra Sapilen'ny famindram-pon'Andriamanitra, Sapile miaraka sy ho an'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana, Sapile miaraka amin'ny Masina Misely Arkanjely... Misy koa ireo fanehoam-pinoana sy fitiavam-bavaka hafa efa fanaon'ny mpino hatry ny ela ; ilaina ireny satria olona mino sy mavitrika no ilaina. Katesizy momba ny vavaka ao amin'ny litorjia, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
29 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelopolo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 13, 18-21)
Mpifankatia i Sedera sy Kaloina, nisy fifamaliana teo amin'izy roa ary noroahan'i Sedera, tamin'ny andro alina i Kaloina. Tao anaty ranomaso hatrany ny niainan'i Kaloina io fisarahana io, nanampy azy hatrany ny zokiny vavy, Koloina. Sendra nivoaka niantsena i Mamy no saika nahavoadoana an'i Kaloina tamin'ny fiara, noho ny fahatairana sy ny fiasan-tsaina be loatra dia safotra teo am-pijoroana i Kaloina, ary nentina teny amin'ny tobi-pahasalamana...
♦ Mihamafy ary miverimberina hatrany ny fahatapahan'ny herinaratra avy amin'ny Jirama. Maro ireo toerana misedra izany amin'izao fotoanan'ny vaovao izao... ♦ Efa mazava ny toromarika sy torolalana nomena ireo rantsan'ny CENI eny amin'ny Distrika, araka ny fanazavan'ny kaomiseram-pifidianana eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Ao anatin'ny fialan-tsasatry ny Toussaint ny sekolim-panjakana nanomboka androany. Misy kosa ireo sekoly tsy miankina mbola manohy ny fampianarana...
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco