♦ Manentana ny kristianina hirotsaka an-tsehatra sy hijoro amin'ny marina amin'ny raharaham-pirenena ny Evekan'Antsirabe. Nambarany fa tsy tokony hitazam-potsiny ny kristianina... ♦ Olom-panjakàna ambony 7.000 isa no tsy mbola nahavita fanambaram-panànana teny amin'ny bianco hatramin'izao. Hiroso amin'ny fanasaziana ny Birao Mahaleontena Iadiana amin'ny Kolikoly, amin'ny taona 2027... ♦ Mandroso ny asa fanatsarana ny fanarian-drano ao Antananarivo anatin'ny tetik'asa PIAA andiany faharoa. Efa any amin'ny 25% ka hatrany amin'ny 33% amin'ny asa no vita ho an'ireo asa roa efa mandeha...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...