♦ Anisan'ireo 33 olona hiakatra fitsarana momba ny raharaha Boeing 777, ny ministry ny fitanterana teo aloha sy ny Jeneraly Richard Ravalomanana. Raharaha-pitsaràna hatao eny amin'ny PAC 67 Ha, anio... ♦ Mangataka fanadihadiana parlemantera hivoahan'ny marina momba ny raharaha Boeing 777 ny Tale Jeneralin'ny ACM. Nanatitra antontan-taratasy 700 pejy, teny amin'ny Antenimieram-pirenena izy, omaly... ♦ Tafakatra 45 ireo matin'ny valanaretina any Ifanadiana. Efa nisy ny fandraisana an-tànana ireo marary an-jatony, raha ny tatitry ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, omaly...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...