♦ An-jatony ireo tra-boina vokatry ny doro ala ao amin'ny distrikan'Antsiranana-II. Manodidina ny 50 ny trano rava. Nisesisesy ny doro ala tao anatin'io distrika io... ♦ Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena hiarovana ny sosona ôzôna. Mbola mampiasa ny entona manimba ny sosona mangeja hafanana ny 70% maherin'ny orinasa eto Madagasikara... ♦ Manentana ny olom-pirenena handray anjara amin'ny fanoratana anarana biômetrika amin'izao andiany faharoa izao ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Rakotonandrasana Velonjara Tiaray. Fisoratana anarana nanomboka omaly hatramin'ny volana jolay 2027...