Alakamisy 19 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44 — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.
♦ Mba ahafahantsika miatrika ny fetin'ny faran'ny taona anatin'ny filaminan-tsaina, dia nandray fepetra manokana any amin'ireo distrika vitsivitsy mbola ahitana ny Coronavirus ny fitondram-panjakana... ♦ Nihena ho 16.000 taonina ny anjara litchis azonttsika ahondrana any ivelany, raha toa ka 17.5000 taonina isan-taona... ♦ Any Etazonia, miziriziry amin'ny heviny hatrany ny filoha Donald Trump. Tsy manaiky ny fahareseny tamin'ny fifidianana filoham-panjakana notanterahana tamin'ny 03 novambra...
Alarobia 18 nôvambra 2020 — Herinandro faha-33 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 11-28 — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
16 nôvambra — Teraka ny 06 janoary 1256 i Gertrude. Vao dimy taona monja izy, dia nalefan'ny ray aman-dreniny nobeazina tao amin'ny fikambanana bénédictine tao Helfta tao Saxe, satria izany no fomba tamin'izany fotoana. I Mechtilde de Hackeborn no nandray an-tanana ny fanabeazana sy ny fitantanana am-panahy an'i Gertrude.
♦ Tsy nisy nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus ny ekipan'i Barea sy ireo ekipa teknika rehetra. Vita omaly ihany ny fitiliana PCR natao azy ireo tany Toamasina... ♦ Ny 46,89%-n'ireo mpianatra nanala ny fanadinana bakalorea teto Madagasikara no afaka soa aman-tsara ho an'ny taom-pianarana 2019-2020... ♦ Mihazakazaka ny governemanta Israeliana, mamita ilay tetik'asam-panjanahana na ilay nantsoina hoe projet de colonisation, tanterahiny any jerosalema atsinanana...
Mihena ny tahan'ny ely ka miteraka fiafanan'ny vatana, noho izany dia mila manao mangatsiatsiaka na fitafiana na ny manodidina. Fahaizana matory: matory manomboka amin'ny 9ora alina hatramin'ny 04ora maraina, ahazoana toerimaso mamerina aina izany hoe adin'ny enina hatramin'ny valo eo ho eo. Manao fampiasam-batana hitazomana lanja, 10 minitra isan'andro ary arindra tsara mba hihetsika daholo ny ozatra...
15 nôvambra — Teraka ny 1193 tao Lauingen tao Souabe i Masindahy Albert. Albrecht von Bollstädt no anarany fa Albert le Grand no iantsoan'ny maro azy. Izy no nampiditra tao amin'ny oniversite tao Europe ny fahalalana sy ny fikarohana grika sy arabo.
14 nôvambra — Teraka ny 27 desambra 1737 tao Saragosse tao Espagne i Joseph Pignatelli. Avy amin'ny fianakaviana andriana izy. Italianina izy avy amin'ny rainy, Antonio Pignatelli, fa ny reniny kosa espagnole, Francesca Moncayo-Fernandez de Heredia. Mbola vao efa-taona monja i Joseph no maty ny reniny, ary nobeazina tany Naples izy.
♦ Efa nivoaka avokoa ny voka-panadinana bakalôrea ankoatra ny eto amin'ny faritanin'Antananarivo... ♦ Voasokajy ho faritra mando faha-21 eto Madagasikara izay arovana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena na site ramsar kosa ny helodranon'Ambaro... ♦ Nanamafy ny firenena mikambana fa hatao ny 24 desambra 2021 ny fifidianana any Lybie...
♦ Handrasana anio ny fahatongavan'ireo mpilalaon'ny Barea hiatrika ny lalao miverina hifanandrinana amin-dry zareo ivoariana izay hatao any Toamasina... ♦ Tsy tokony ho ataon'ny loholona saka amin'ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny parlemanta ny fahataran'ny teti-bola hiatrehana izany, hoy ny filohan'ny HCC... ♦ Sambany indray omaly vao nitafa nivantana tamin'ny mpanao gazety ingahy Donald Trump. Tsy naneho hevitra momba ny fifidianana anefa izy...
Ny fahasalamana ara-tsaina: mamaritra ny fahasalamana mihitsy izany hoe ny olona tsirairay dia voakasika, miankina amin'ny tontolo manodidina, fiaraha-monina, ara-tsôsialy, ny toe-po, ara-biôlôjika. Tokony ferana ny fotoana hijerena vaovao miteraka tahotra sy tebiteby, ohatra ny antontanisa mikasika ny Covid-19...
♦ Miditra faty antoka hatrany amin'ny 50.000.000.000 Ariary ny birao misahana ny kadasitry ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara na ny BCMMM... ♦ Higadona any Toamasina rahampitso tolakandro ny delegasiôna misy ireo mpilalaon'ny Barea... ♦ Nifampiresaka an-telefona ny papa François sy Andriamatoa Joe Biden...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco