Sabotsy 20 marsa 2021 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 40-53

Nampiady hevitra teo amin’ny vahoaka ny teny nambaran’i Jesoa. Teo ny momba azy, ary eo ihany ka ireo nanohitra. Hita anefa fa ny teny izay ambarany dia manana hery : "tsy mbola nisy olona niteny tahaka iny lehilahy iny". Midika izany fa ny zavatra lazain’i Jesoa dia miavaka noho ny rehetra. Tsy mba teny feno avonavona na lainga fa teny fahamarinana.

Ireo farisianina izay mpanara-dalàna ara-bakiteny dia tsy mba nankasitraka an’i Jesoa mihitsy, fa nanenjika sy nandà Azy hatrany. I Jesoa, tsy nandrava mihitsy ny lalàna, fa Izy àry no nanatanteraka izany. Ny tiany haseho mantsy dia hoe ny fitiavana dia mbola ambony noho ny lalàna izay heverin’izy ireo. Ny didy ambony indrindra dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana.

Amin’izao andro iainantsika izao koa àry, dia mbola mitohy ny fifandirana sy ny adihevitra mahakasika ny fampianarana izay nentin’i Kristy. Fa isika kristianina kosa dia tokony haneho fitiavana hatrany ho an’ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika sy ireo tsy tia ary ireo izay manenjika. Ny Vaovao Mahafaly mantsy dia tsy maintsy toriana amin’ny olona rehetra, ary tokony hiezaka isika hampifanaraka an’izany amin’ny fiainantsika. Izany anefa dia mila herim-po sy fahasahiana ary fitiavana. Tsy mora tokoa araka izany ny manara-dia an’i Jesoa hany ka misy ireo miala an-daharana ka zary manohitra Azy mihitsy aza. Angataho àry Izy Andriamanitra mba hatoky sy hino Azy hatrany isika, fa Izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...