Zoma 13 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46 — Toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.
Alakamisy 12 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny fotoam-pamonjena.
Alarobia 11 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28 — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Talata 10 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12 — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho.
06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.
Alatsinainy 09 marsa 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38 — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo.
Alahady 08 marsa 2020 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratran'i Masindahy Matio 17, 1-9 — Tao anatin'ny rahona mamirapiratra no re ny feon'ny Ray nanao hoe : Ity no Zanako malalako : henoy Izy.
Mila paik'ady isika amin'ny fitondran-tena iatrehana ny fiainana andavanandro, raha te hiaina am-pilaminana, an-kafaliana, an-kasambarana, na dia tsy misy aza ny fiainana tonga lafatra. Hanampy antsika amin'izany ny fahaizana mandanjalanja ny : fahatokiana / fanahiana ; tompon'antoka / iharany ; miolon-ko azy/ mitodika amin'ny hafa.
05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.
Alarobia 18 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Sambatra izay mitandrina ny tenin'Andriamanitra, amin'ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin'ny faharetana.
Talata 17 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35 — Tsy ny hahafatesan'ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany ka ho velona izy.
Alatsinainy 16 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30 — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon'ny Tompo.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco