Alahady 14 marsa 2021 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : ka nomeny ny Zanany tokana ; mba hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 14-21

Miditra amin’ny alahady fahefatra ny Karemy ny Eglizy anio, izay maneho indrindra ny fitiavan’Andriamanitra antsika mpanota. Tsara ny manamarika fa isika mpanota no tiany fa tsy ny fahotana izay ataontsika. Manasa antsika àry Izy Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Zanany lahitokana mba hahafahantsika mino Azy. Fitiavana lehibe tokoa izany satria dia nafoin’i Jesoa mihitsy ny ainy ho famonjena antsika. Tian’Andriamanitra ho voavonjy daholo ny olombelona rehetra, rehefa mibebaka sy mitodika any Aminy.

Izy tokoa no fahazavana sy Fiainana ho antsika. Mitarika antsika any amin’ny lala-mahitsy sy marina mandrakariva Izy. Tiany ho sambatra isika sy hahita hafaliana miaraka Aminy na amin’ny andro mora na amin’ny andro sarotra izay hiainantsika.

Fitiavana tsy misy fetra noho izany, ny fitiavan’Andriamanitra antsika zanany. Isika matetika no mivadika an’izay fitiavany izay. Miandry antsika mandrakariva àry izy, amin’ny alalan’ny famindram-pony mba hahafahantsika indray miaraka Aminy. Amin’izao vanim-potoana ny karemy izao indrindra àry no fotoana tsara indrindra ho antsika mba hialana amin’ireo toetra ratsy sy ny fahalemena izay ao anatintsika ao. Zanaka samy tian’Izy Andriamanitra daholo isika rehetra, noho izany tokony hifankatia ihany koa. Miara-mibanjina sy miara mitsaoka Azy mba hahazoantsika rehetra ny fiainana mandrakizay.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...