Alarobia 1 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 29-37
Indray andro, raha nampianatra i Jesoa, dia nipetraka nanodidina Azy teo koa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna sasany avy tamin’ny tanàna rehetra tany Galilea sy Jodea mbamin’i Jerosalema, ary tao aminy hanasitranany ny marary ny herin’ny Tompo. Dia indro nisy olona nitondra lehilahy malemy anankiray tamin’ny fandriany ka nitady hampiditra sy hametraka azy teo anatrehany; fa tsy nahita izay hampidirany azy izy ireo noho ny habetsahan’ny olona, ka niakatra teo ambonin’ny tafon-trano izy ary nanesorana ny tafo dia nampidininy teo afovoan’ny olona teo anatrehan’i Jesoa ralehilahy mbamin’ny fandriany. Nony nahita ny finoan’izy ireo i Jesoa, dia nanao hoe: "Ralehilahy, voavela ny helokao." Tamin’izany ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina dia nisaintsaina anakampo nanao hoe: "Iza moa itý miteny ratsy toy izao itý? Iza no mahavela heloka afa-tsy Andriamanitra irery." Fa fantatr’i Jesoa ny heviny, ka hoy Izy taminy: "Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo? Inona no mora holazaina kokoa, ny hoe: Voavela ny helokao; sa ny hoe: Mitsangàna ka mandehana? Ary mba ho fantatrareo fa manam-pahefana hamela heloka etý an-tany ny Zanak’Olona, dia izao no lazaiko aminao, hoy Izy tamin’ilay malemy: Mitsangàna, ento ny fandrianao, ary modia any an-tranonao." Niaraka tamin’izay dia nitsangana teo imason’ny olona izy, ary nitondra ny farafara nandriany ka lasa nody any an-tranony nankalaza an’Andriamanitra. Nitolagaga avokoa izy rehetra ka sady nankalaza an’Andriamanitra no raiki-tahotra nanao hoe: "Nahita zava-mahagaga isika androany."
Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara, fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea, i Herôda no tetrarka tany Galilea, i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida, i Lisanià no tetrarka tany Abilena, ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona, dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra. Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy, nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka, araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany; ny lohasaha rehetra hototofana, ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.
Tamin’izany andro izany i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny." Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary hoy Izy: "Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony; nahazo maimaim-poana ianareo, koa manomeza maimaim-poana."
Tamin’izany andro izany, dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana sady niantso mafy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!" Nony tonga tany an-trano Izy, dia nanatona Azy ireto jamba, ary hoy i Jesoa taminy: "Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?" Hoy ireo taminy: "Eny, Tompoko." Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy: "Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo." Dia nahiratra ny masony, ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe: "Tandremo sao ren’olona izao." Kanjo nony nandeha ireo, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo! no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra. Koa amin’izany, na zovy na zovy mandre izao teniko izao ka mitandrina azy, dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, nefa tsy nianjera izy, fa niorina teo ambonin’ny vatolampy. Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao, ka tsy mitandrina azy, dia hanahaka ny lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika; ary latsaka ny ranonorana ka tondraka ny ony, ary nifofofofo ny rivotra namely izany trano izany, dia nianjera izy ka loza ny faharavany."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea, ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo. Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny, hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo. Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe: "Mampalahelo Ahy ireto vahoaka, fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko, ka tsy manan-kohanina izy, tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina sao dia reraka eny an-dalana izy." Fa hoy ny mpianany taminy: "Aiza no hahazoanay mofo ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo atý an’efitra?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Manana mofo firy ianareo"? Hoy ireo taminy: "Fito sy hazandrano madinika vitsy foana." Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka; ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano, dia nanaovany fisaorana sy novakìny ka nomeny ny mpianany, ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky, ary sobika fito no feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangonina.
♦ Nisy olana ny famoahana ny solika tokony hamatsiana ny mpanjifa manerana ny nosy tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nifanenjana amin'ny resaka trosa ny Fanjakàna sy ny mpandraharaha mpanafatra solika... ♦ Misy ny tsy fahafaha-mandoa karama eo anivon'ny Senat, 3 volana tsy nandray karama ireo mpiasa tsy raikitra sy miaramila... ♦ Afaka noho ny fisalasalàna i Ravo Nambinina, ilay nahasahy namoaka ny fisiana kolikoly teo anivon'ny Minsteran'ny fahasalam-bahoaka...
♦ Mbola nitohy hatramin'ny androany maraina ny olana tamin'ny fividianana solika tao Toamasina... ♦ Afaka noho ny fisalasalana tamin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, saingy voasazy handoa lamandy iray tapitrisa Ariary, vokatry ny fanalam-baraka i Ravo Nambinina... ♦ Niaiky androany, ny kestoran'ny Antenimieran-doholona fa tena misy tokoa ireo mpiasa mbola tsy nandray karama hatramin'izao...
♦ Nofaranana ny 28 novambra tamin'ny alalan'ny fiaraha-miombom-bavaka tao amin'ny EKAR Masindahy Piera Ambohipo, ny Zaikabe faha-9 sy ny Kômity Foibe faha-43, ho an'ny FFKM... ♦ Notsofin-drano sy notokanana tamin'ny 27 novambra ny Maternité natokana hikarakarana ireo mahantra sy sahirana, sahanin'ny Salezianina Don Bosco, ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Nanolotra fampianarana lalina mikasika ny fifohazana ara-panahy tena ilaina amin'ny alalan'ny vavaka ny Papa François, nandritra ny vavaky ny Angelus...
♦ Ampiantsoina eny amin'ny Senat rahampitso ireo olom-panjakàna ambony teo aloha miisa 13, nisy nitory teny amin'ny HCJ... ♦ Hentitra ny FFKM nampahafantatra tamin'ny hafatra, ho famaranana ny komity faha-43 sy ny zaikabe faha-9-ny FFKM teny Ambohipo, omaly, nilaza fa maro ny asa miandry ny mpitondra... ♦ Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny Ministère de la Santé Publique, ny amin'ny nahafaty ilay zazalahy 10 taona, voalaza namoy ny ainy vokatry ny fihinanana odin-kankana tany an-tsekoly...
Vavaka sy fomba entin'ny kristianina miara-mankalaza an'Andriamanitra ny litorjia. Mba hampirindra ny fankalazana litorjika, dia naorin'ny Eglizy ny vaomiera litorjika ahitana ireo solo-tena avy amin'ny hery velona misy eo amin'ny paroasy.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco