♦ Voasoroka ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Lycée Technique Alarobia sy ny Lycée Technique Mahamasina, noho ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana sy ny mpampianatra... ♦ Mbola olana ho an'ny sehatry ny asa amin'izao fotoana izao ny fivoaran'ny valan'aretina Covid-19. Nanamafy izany androany ny solontenan'ny OIT eto Madagasikara...

Tamin’izany andro izany, rahefa nidina avy tany an-tendrombohitra i Jesoa sy ny mpianany, dia nanontany Azy ny mpianany nanao hoe: "Ahoana àry no ilazan’ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?" Ary namaly Izy ka nanao hoe: "Tsy maintsy ho avy tokoa i Elia ka hanavao ny zavatra rehetra. Nefa lazaiko aminareo fa tonga sahady i Elia, fa tsy fantatry ny olona izy, ka nanaovany izay sitraky ny fony. Ary ho tahaka izany koa no hampijaliany ny Zanak’Olona." Dia fantatry ny mpianatra tamin’izay fa i Joany Batista no nolazainy taminy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý? Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja izay miantso ny namany, ka manao hoe: Nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo; nanao hira mampalahelo izahay, nefa tsy nandòn-tratra ianareo. Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro, nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy. Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro, lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io, sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra. Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Lazaiko aminareo marina tokoa fa amin’izay natera-behivavy mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista; kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra no lehibe noho izy. Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra, ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy. Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna dia naminany hatramin’i Joany, ary raha mety mino ianareo dia izy no ilay Elia ho avy. Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray, moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo; ka handeha hitady ilay nania izy? Ary raha sendra hitany izy, dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy noho ny sivy amby sivifolo tsy nania. Toy izany koa, tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza."

Sabotsy 4 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 35 — 10, 1. 6-8

Zoma 3 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 27-31

Sehatra telo no sarobidy amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra ho Mpandraharaha masina : ny fianakaviana izay seminera voalohany, ny fiaraha-monina, indrindra ny sekoly sy ny fanabeazana, ary ny ankohonam-piangonana.  Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Tena zava-dehibe ny fahaizan'ny zatovo miara-miasa amin'ireo mpikatrotra ao amin'ny ankohonam-piangonana manomboka amin'ny pretra mpiahy sy izay miaraka aminy ao, ny mpiandraikitra isan'ambaratongany ao amin'ny Filan-kevitry ny pretra. Marihina fa ny fanoloran'ny pretra ihany no ahafahan'ny zatovo iray hanaraka ny fiofanana maha-Mpandraharaha masina. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

♦ Parlemantera roa, anio, no hiatrika fanadihadiana eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza. Voampanga ho nanodikodim-bola sy kolikoly, ary miatrika izany raharaha izany eo anivon'ny HCJ...  ♦ Tokony hamafisina ny fanentanana fanaovam-baksiny, hoy ny VAMI, manoloana ny fitomboan'ireo tranga vaovaon'ny Covid-19, takiana ihany koa ny mangarahara tamin'ny teti-bola iadiana amin'izany, taona 2021... ♦ Maro amin'ireo raiamandreny amin'izao no tsy marisika handefa ny zanany any an-tsekoly manoloana ny firongatry ny halatra maso any Toliara-II. Olona 5 no efa matin'ireo mpangalatra maso...

Alakamisy 2 desambra 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27

Ny Eglizy dia manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny fiantsoan'Andriamanitra. Mahefa be ny Eglizy rahefa ahafahan'ny zatovo manao ny anjarany amin'ny famelomana ny ain'ny Eglizy. Ireny olona voaantso manokana ireny dia matetika no niainga avy amin'ireo karazam-pikambanana masina eo amin'ny fiangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...