Alatsinainy 28 marsa 2022 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 43-54

Fihetsika roa samy hafa no nasehon’ireo nifanerasera tamin’i Jesoa, nambaran’ny Evanjely tamintsika teo. Tao ny nahita ny fahagagana nataony ka nandray azy. Antony : mba te hanehoana toy izany koa, anisan’izany ireo galileana. Fa tetsy andaniny koa ireo tsy niraharaha Azy satria nahalala ny momba Azy, dia ireo iray tanana taminy. Tsy nataon’i Jesoa ho sakana ho Azy anefa izany, amin’ny fanatanterahany ny asan’ny Ray naniraka Azy. Ary koa tsy ny laza amam-boninahitra no nokatsahiny amin’ny iraka ataony fa ny hizara sy hampafantatra ny fitiavan’ny Ray ny mpanota. Fomba nentin’i Jesoa nanehoana amintsika olombelona, mba hinoantsika an’Andriamanitra sy hitokiantsika ny Teniny ny fahagagana nataony. Tsy ny fahagagana anefa no inona fa ilay manao azy, dia ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, afaka mamonjy amin’izay manjo antsika olombelona. Io herin’Andriamanitra ao amin’i Jesoa io no ninoan’ity manamboninahitra ity, tsy nilany famantarana akory fa nandehanany araka izay nolazain’i Jesoa azy.

Manitsy dia antsika mino ankehitriny tsy hiandry fahagagana na famantarana vao hino sy ho tapa-kevitra hiaina ny finoana marina, ny nataon’ilay manamboninahitra io, mba hitokintsika an’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Koa havaozy sy hamafiso ny finoantsika fa fotoana tsara izao karemy izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...