Sabotsy 26 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14
Misy fomba maro no entina mampita hevitra sy mampianatra. Eto izao ataon’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanoharana izany mba ho tafita tsara tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany : Ilay Farisianina sy ilay Poblikanina samy nankany an-tempoly. Miantefa amintsika koa izany ankehitriny satria amin’izao androntsika izao mbola misy koa ny toy izany. Mora amintsika ery ny manaratsy, manebaka, maneso, manambany ny hafa, manamarin-tena noho ny avonavontsika, ny fitiavan-tena tafahoatra fa zatra mieboebo, mirehaka, mizahozaho, manambony tena, midera tena, tsy misy fanetren-tena ka tsy mahita izay tsara amin’ny hafa akory. Toa ny an’ilay Farisianina voalaza eto. Ny akoho mihinam-balala no mianjonanjona, ny voron-tsiloza siahina no midoroboka fa ny olona mahay manetry tena kosa tsy sahy mitraka akory noho ny hadisoany fa tonga dia mifona sy matoky ny famindram-po avy amin’ny Tompo, toa an’ilay poblikanina : nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany, ka tonga dia nibaboka sy nifona ary niaiky heloka tamin’Andriamanitra, nanao vavaka fohy sy mazava. Noderain’i Jesoa ny fihetsiny satria nahay nanetry tena izy. Aiza ho aiza amin’izany isika ?
Vavaka : isan’ny takiana amintsika amin’ny lalam-pibebahana amin’izao karemy izao. Tsy hoe tsy mivavaka isika ankoatra ny karemy fa aoka kosa hanao izany misimisy kokoa amin’izao, hanao izany ho vain-dohan-draharahantsika. Tsy hanadino izany mihitsy. Aza atao vavak’ilay Farisianina anefa fa aoka ho vavak’ilay poblikanina, araka ny lazain’i Jesoa eto. Tandremo ny vavaka atao àry, sao mivilana na mivalana fa aoka hivolana izay mameno ny fontsika isika ka tsy hanao vavaka salobon-komana fa vavaka misokatra amin’ny hafa satria tokoa tsy mihaino ny vavaky ny mpiavonavona Andriamanitra fa manongilan-tsofina amin’ny an’ny mpanetry tena ; araka ny voalazan’i Jesoa eto hoe : "Izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra."
Isan’ny antony hankanesana any am-piangonana ny hivavaka ka aoka tsy ho antony hafa. Fa izao, aza miandry ny mankany am-piangonana ihany vao mivavaka fa misy vavaka azo atao any an-trano ? Saingy tsy mahasolo ny any am-piangonana velively izany any an-trano izany fa samy tsara atao avokoa. Ao koa ny vavaka samirery, ao ny vavaka iombonana, sy ireo vavaka samihafa. Samy anentanana antsika avokoa ny hazoto amin’ireny rehetra ireny. Aza avela hisy ho tavela.
Lalana miakatra any an-danitra ny fahaiza-midina amin’ny fanetren-tena ; fa ny fiakarana amin’ny avonavona kosa mamery antsika any amin’ny hantsana mangitsokitsoka. Koa mitovy amin’ilay Farisianina isika sa mitovy amin’ilay poblikanina rehefa mankany am-piangonana ?
Ampianaro mivavaka izahay, Tompo, fa isan’ny takinao aminay izany amin’izao karemy izao ka hahatonga anay hazoto amin’izany na amin’ny fotoana na tsia. Tsy hanebahanay ny hafa fa ivalozanay marina tokoa. Amen.