Tamin’izany andro izany, i Jesoa nitety an’i Galilea fa tsy nety nankany Jodea, satria nitady hahafaty Azy ny Jody. Ary efa akaiky ny fetin’ny Jody atao hoe fetin’ny Tranolay. Kanjo nony lasa ny rahalahiny, dia mba niakatra hamonjy ny fety ihany koa Izy, saingy tsy nisehoseho, fa toa niafinafina. Tamin’izay, dia nisy mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: "Moa tsy Izy io ilay tadiavin-dry zareo hovonoina? Ary nahoana no miteny ampahibemaso Izy io, ka no tsy misy sahy miteny Azy akory ? Sao dia efa fantatry ny loholona kosa fa io no i Kristy ? Ny niavian’Izy io anefa fantatsika; fa ny hiavian’i Kristy kosa tsy misy hahalala rahefa tonga Izy." Dia niantso àry i Jesoa tao am-pampianarana tao amin’ny Tempoly ka nanao hoe: "Fantatrareo Aho, ary fantatrareo koa izay niaviako. Nefa tsy tonga ho Ahy Aho, fa marina Ilay naniraka Ahy, fa tsy fantatrareo. Izaho no mahalala Azy, satria Izy no niaviako, ary Izy no naniraka Ahy."

Tamin’izay dia nisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy sahy nitana Azy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...