Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny Jody hoe: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay izy." Dia hoy ny Jody: "Fantatray amin’izao fa manana demony Ianao; i Abrahama sy ny mpaminany aza maty, fa Ianao kosa manao hoe: Raha misy mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana mandrakizay izy. Angaha Ianao lehibe noho i Abrahama rainay izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty; manao Anao ho iza re Ianao e?" Dia hoy i Jesoa: "Raha manome voninahi-tena Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; fa ny Raiko izay ataonareo ho Andriamanitrareo no manome voninahitra Ahy. Tsy fantatrareo anefa Izy; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho tsy mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo koa: fa fantatro Izy, ary mitandrina ny teniny Aho. Nientan-kafaliana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly." Dia hoy ny Jody taminy: "Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita an’i Abrahama?" Hoy i Jesoa taminy: "Lazaiko marina dia marina aminareo, fony mbola tsy àry i Abrahama, dia efa Izaho Aho." Tamin’izay dia naka vato izy ireo hitorahana Azy; fa niery i Jesoa ka nivoaka ny tempoly.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...